| ← Psalms (110/150) → | 
| 1. | Salamo nataon'i Davida. Izao no lazain'i Jehovah amin'ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao. | 
| 2. | Ny tehin'ny herinao Havoak'i Jehovah avy ao Ziona; Manapaha eo amin'ny fahavalonao Hianao. | 
| 3. | Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin'ny andro anafihanao; Amin'ny fihaingoana masina, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao. | 
| 4. | Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka. | 
| 5. | Ny Tompo eo an-kavananao Dia handripaka ny mpanjaka maro amin'ny andron'ny fahatezerany | 
| 6. | Hitsara any amin'ny jentilisa Izy ka hampiampatrampatra faty any; Handripaka loholona any amin'ny tany malalaka Izy. | 
| 7. | Hisotro amin'ny ony any an-dalana Izy, Ka izany no hitrakan'ny lohany. | 
| ← Psalms (110/150) → |