| ← Psalms (107/150) → | 
| 1. | Miderà an'i Jehovah, fa tsara Fa mandrakizay ny famindram-pony. | 
| 2. | Aoka hanao izany ny navotan'i Jehovah, Dia izay navotany ho afa-ka tamin'ny tanan'ny fahavalo, | 
| 3. | Sy nangoniny avy tany amin'ny tany maro, Dia avy tany atsinanana sy andrefana ary tany avaratra sy tany amin'ny ranomasina. | 
| 4. | Nirenireny tany an-efitra ireny ka nanavatsava tany an-tany foana, Ary tsy nahita tanàna honenana. | 
| 5. | Noana sy nangetaheta izy, Sady reraka ny ainy tao anatiny, | 
| 6. | Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny; | 
| 7. | Dia nitondra azy tamin'ny lalana mahitsy Izy, Mba hankanesany any amin'izay tanàna honenana. | 
| 8. | Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona! | 
| 9. | Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy, Ary ny fanahy noana dia vokisany soa. | 
| 10. | Izay nipetraka tao amin'ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana, Voafato-pahoriana sy vy, | 
| 11. | Satria nandà ny tenin'Andriamanitra Sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra; | 
| 12. | Dia nampietreny tamin'ny fahoriana ny fony; Ka potraka izy, nefa tsy nisy hamonjy; | 
| 13. | Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny. | 
| 14. | Nitondra azy nivoaka avy tao amin'ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy, Ary notosany ny fatorany. | 
| 15. | Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona! | 
| 16. | Fa nanorotoro ny varavarana varahina Izy, Ary ny hidy vy nohenteriny. | 
| 17. | Mitondra fahoriana ny adala noho ny fahadisoany sy ny helony: | 
| 18. | Nahamonamonaina azy ny hanina rehetra; Ary nanakaiky ny vavahadin'ny fahafatesana izy. | 
| 19. | Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny. | 
| 20. | Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy Ary nanafaka azy tamin'ny longoa nianjerany. | 
| 21. | Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona! | 
| 22. | Ary aoka hanatitra fanati-pisaorana izy Sy hilaza ny asany amin'ny fihobiana. | 
| 23. | Izay midina any an-dranomasina ka mandeha an-tsambo Sy manao raharaha any amin'ny rano lehibe | 
| 24. | No mahita ny asan'i Jehovah Sy ny fahagagana ataony amin'ny rano lalina. | 
| 25. | Fa niteny Izy ka nanangana rivotra mahery, Izay nampisondrotra ny onjan-drano; | 
| 26. | Niakatra hatramin'ny lanitra ny olona, ary nidina hatramin'ny lalina; Ny fanahiny levona noho ny fahoriana. | 
| 27. | Nisangodingodina ireo sady nivembena toy ny mamo, Ka dia very ny sainy rehetra. | 
| 28. | Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka nampiala azy tamin'ny fahatereny Izy. | 
| 29. | Nanony ny rivotra mahery Izy, Ka nitsahatra ny onjan-drano. | 
| 30. | Dia faly ireo, satria nitsahatra izany; Ary nentiny ho amin'ny fitodiana niriny izy. | 
| 31. | Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona! | 
| 32. | Ary aoka hanandratra Azy eo amin'ny fiangonan'ny olona izy Ka hidera Azy eo amin'ny fipetrahan'ny loholona. | 
| 33. | Mampody ny ony ho efitra Izy Ary ny loharano ho tany mangentana, | 
| 34. | Ny tany mahavokatra ho tanin-tsira, Noho ny faharatsian'ny mponina eo. | 
| 35. | Mampody ny efitra ho rano monina Izy Sy ny tany maina ho loharano, | 
| 36. | Ary amponeniny eo izay noana, Mba hanamboatra tanana honenana; | 
| 37. | Ary hamafy eny an-tsaha izy Sady hanao tanim-boaloboka Ka hahazo vokatra be. | 
| 38. | Dia mitahy azy Izy mba hitomboany betsaka, Ka tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny. | 
| 39. | Fa mihakely sy mietry indray izy Noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo. | 
| 40. | Mampidina fanamavoana amin'ny mpanapaka Jehovah Ka mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana; | 
| 41. | Fa manandratra ny malahelo ho afa-pahoriana kosa Izy,Ka mahamaro mianakavy azy toy ny ondry andiany. | 
| 42. | Hahita izany ny marina ka ho faly; Fa hihombom-bava kosa ny ratsy fanahy rehetra. | 
| 43. | Izay hendry dia aoka hahafantatra izany Ka hahalala ny famindram-pon'i Jehovah. | 
| ← Psalms (107/150) → |