| ← Psalms (106/150) → | 
| 1. | Haleloia. Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy, Fa mandrakizay ny famindram-pony. | 
| 2. | Iza no mahalaza ny asa lehibe ataon'i Jehovah, Na mahatonona ny fiderana Azy rehetra? | 
| 3. | Sambatra izay mitandrina ny mety Ka manao ny marina mandrakariva. | 
| 4. | Jehovah ô, tsarovy aho araka ny fankasitrahanao ny olonao; Vangio amin'ny famonjenao aho, | 
| 5. | Hahitako ny soa azon'ny voafidinao, Hifaliako amin'ny fifalian'ny firenenao, Hiravoravoako miaraka amin'ny lovanao. | 
| 6. | Efa nanota izahay mbamin'ny razanay, Efa nanao izay meloka sy ratsy izahay. | 
| 7. | Ny razanay tany Egypta tsy mba nandinika ny fahagagana nataonao; Tsy mba nahatsiaro ny habetsahan'ny famindram-ponao ireny, Fa niodina teo amoron-dranomasina, Dia teo amoron'ny Ranomasina Mena | 
| 8. | Kanefa namonjy azy ihany Izy noho ny anarany, Mba hampahafantarany ny asany lehibe. | 
| 9. | Dia noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, ka tonga maina iny; Ary nitondra azy nita ny rano lalina tahaka ny efitra Izy, | 
| 10. | Namonjy azy tamin'ny tanan'ny mpandrafy Izy Ary nanavotra azy tamin'ny tanan'ny fahavalo. | 
| 11. | Dia nosaronan'ny rano kosa ny rafiny. Ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza. | 
| 12. | Dia nino ny teniny izy Ka nihira ny fiderana Azy. | 
| 13. | Nalaky nanadino ny asany izy ka tsy niandry ny saina hatolony, | 
| 14. | Fa fatra-pila izy tany an-efitra, Sady naka fanahy an'Andriamanitra tany an-tany foana. | 
| 15. | Dia nomeny azy izay nilainy, Kanefa nampahahiaziny kosa izy. | 
| 16. | Dia nialona an'i Mosesy tany an-toby Izy ireo Sady nialona an'i Arona, olo-masin'i Jehovah. | 
| 17. | Nisokatra ny tany, dia nitelina an'i Datana Ka nanarona ny antokon'i Abìrama. | 
| 18. | Dia nisy afo nirehitra tamin'ny antokony; Lelafo no nandoro ny ratsy fanahy. | 
| 19. | Nanao ombilahy kely tany Horeba izy Ka niankohoka teo anoloan'ny sarin-javatra an-idina. | 
| 20. | Ary ny voninahiny dia natakalony Sarin'ny omby homana ahitra. | 
| 21. | Nohadinoiny Andriamanitra, Mpamonjy azy, Izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta, | 
| 22. | Dia fahagagana tany amin'ny tanin'i Hama sy zava-mahatahotra teo amin'ny Ranomasina Mena. | 
| 23. | Ary nikasa handringana azy Izy, Raha tsy Mosesy voafidiny no nandroso hijoro tamin'ny banga teo anatrehany hampiala ny fahatezerany mba tsy handringanany azy. | 
| 24. | Ary nanamavo ny tany mahafinaritra ireo Sady tsy mba nino ny teniny, | 
| 25. | Fa nimonomonona tany an-dainy Ka tsy nihaino ny feon'i Jehovah. | 
| 26. | Dia nanandratra ny tànany taminy Izy, Fa hampiampatrampatra azy any an-efitra | 
| 27. | Ary ny taranany kosa any amin'ny jentilisa, Ary hampihahakahaka azy any amin'ny tany maro Izy. | 
| 28. | Nikambana tamin'i Bala-peora ireo ka nihinana ny fanatitra ho an'ny maty, | 
| 29. | Dia nampahatezitra an'i Jehovah tamin'ny nataony, Ka dia namely azy tampoka ny areti-mandringana. | 
| 30. | Fa nitsangana nandroso Finehasa ka nanao fitsarana; Dia nitsahatra ny areti-mandringana. | 
| 31. | Ary nisaina ho fahamarinany izany Hatramin'ny taranaka fara mandimby mandrakizay. | 
| 32. | Nampahatezitra an'i Jehovah teo anilan'ny ranon'i Meriba ireo, Ka nisy nanjo an'i Mosesy noho ny nataon'ireo; | 
| 33. | Fa niodina tamin'ny Fanahin'i Jehovah ireo, ka dia nihoa-bava Mosesy. | 
| 34. | Tsy naringany ny firenena Izay nasain'i Jehovah naringany; | 
| 35. | Fa nifangaro tamin'ny jentilisa izy Ka nianatra ny fanaony, | 
| 36. | Dia nanompo ny sampiny izy, Ka dia nody fandrika ho azy izany. | 
| 37. | Namono ny zananilahy sy ny zananivavy ho fanatitra ho an'ny demonia ireo; | 
| 38. | Eny, nandatsaka rà marina izy, Dia ny ran'ny zananilahy sy ny zananivavy, Izay novonoiny ho fanatitra ho an'ny sampin'i Kanana; Ka dia nametaveta ny tany tamin'ny rà izy. | 
| 39. | Ary naloto tamin'ny asany izy Ary nahatonga azy ho mijangajanga ny nataony. | 
| 40. | Dia nirehitra tamin'ny olony ny fahatezeran'i Jehovah, Ka nataony ho zava-betaveta ny lovany. | 
| 41. | Dia nanolotra azy teo an-tànan'ny jentilisa Izy, Ka izay nankahala azy no nanapaka azy. | 
| 42. | Ary nampahory azy ny fahavalony, Ka naetry tambanin'ny tànany izy. | 
| 43. | Matetika Izy no nahafaka azy; Fa ireo kosa niodina taminy ihany araka ny fisainany Ka nihalevona noho ny helony. | 
| 44. | Kanefa nijery ny fahoriany ihany Izy. Raha nandre ny fitarainany; | 
| 45. | Dia nahatsiaro ny fanekeny Izy Ka nanenina araka ny haben'ny famindram-pony. | 
| 46. | Dia nataony nahita famindram-po ireny Tamin'izay rehetra namabo azy. | 
| 47. | Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, Ka angòny avy amin'ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masina Sy hifalianay amin'ny fiderana Anao. | 
| 48. | Isaorana anie Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay; Ary aoka ny olona rehetra hanao hoe: Amena! Haleloia. | 
| ← Psalms (106/150) → |