Psalms (102/150)  

1. Fivavaky ny ory, raha reraka izy ka mandoatra ny alahelony eo anatrehan'i Jehovah. Jehovah ô, henoy ny fivavako, Ary aoka hankeo aminao ny fitarainako.
2. Aza manafina ny tavanao amiko amin'ny andro fahoriako; Atongilano amiko ny sofinao; Amin'ny andro itarainako dia faingàna hamaly ahy.
3. Fa levon-ko setroka ny androko Ary ny taolako mahamay tahaka ny forohana.
4. Taninina tahaka ny ahitra ny foko ka malazo; Fa hadinoko na dia ny fihinanan-kanina aza.
5. Noho ny fisentoan'ny foko Ny taolako miraikitra amin'ny hoditro.
6. Tahaka ny sama any an-efitra aho, Ary tahaka ny vorondolo any an-tanànaolo.
7. Tsy mahita tory aho Sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampontrano.
8. Mandatsa ahy mandrakariva ny fahavaloko. Izay misafoaka amiko dia manao ahy ho fiozonana.
9. Fa lavenona no nohaniko tahaka ny mofo; Ary ny zavatra nosotroiko noharoharoiko ny ranomasoko,
10. Noho ny fahaviniranao sy ny fahatezeranao; Fa naingainao aho, kanefa natontanao indray.
11. Ny androko dia tahaka ny aloka efa mandroso; Ary efa malazo tahaka ny ahitra aho.
12. Nefa Hianao, Jehovah ô, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin'ny taranaka fara mandimby.
13. Hianao hitsangana ka hamindra fo amin'i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny fotoana.
14. Fa sitraky ny mpanomponao ny vatony, Sady malahelo ny vovo-taniny izy.
15. Hatahotra ny anaran'i Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin'ny tany hatahotra ny voninahitrao;
16. Fa Jehovah nanangana an'i Ziona; Niseho tamin'ny voninahiny Izy;
17. Nijery ny fivavaky ny mahantra Izy Ka tsy nanevateva ny fivavany.
18. Hosoratana ho an'ny taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera an'i Jehovah;
19. Fa Izy nitazana tany amin'ny fitoerany masina any amin'ny avo. Tany an-danitra no nitsinjovan'i Jehovah ny tany,
20. Mba hihaino ny fisentoan'ny mpifatotra Sy hanafaka izay voatendry ho faty,
21. Mba hotorina any Ziona ny anaran'i Jehovah, Ary ny fiderana Azy any Jerosalema,
22. Rehefa tafangona ny firenena Sy ny fanjakana maro hanompo an'i Jehovah.
23. Efa nahaketraka ny heriko tany an-dalana Izy; Efa nahafohy ny androko Izy;
24. Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan'ny androko; Ny taonanao mihatra amin'ny taranaka fara mandimby.
25. Tany aloha no nanorenanao ny tany; Ary asan'ny tananao ny lanitra.
26. Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy;
27. Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra.
28. Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao.

  Psalms (102/150)