| ← Proverbs (9/31) → | 
| 1. | Ny fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy; | 
| 2. | Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa; | 
| 3. | Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon'ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe: | 
| 4. | Izay kely saina, dia aoka izy hankatỳ; Ary amin'izany tsy ampy saina dia hoy izy: | 
| 5. | Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko. | 
| 6. | Ilaozy ny kely saina, dia ho velona ianao, Ary mizora amin'ny lalan'ny fahalalana. | 
| 7. | Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny. | 
| 8. | Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao. | 
| 9. | Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy. | 
| 10. | Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina. | 
| 11. | Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao. | 
| 12. | Raha hendry ianao, dia hendry ho an'ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan'izany. | 
| 13. | Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavàna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona. | 
| 14. | Fa mipetraka eo am-baravaran'ny tranony izy, Ary amin'ny seza eny amin'ny fitoerana avo eo an-tanàna, | 
| 15. | Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin'ny alehany, ka manao hoe: | 
| 16. | Aoka hivily atỳ izay kely saina; Ary amin'izay tsy ampy saina dia hoy izy: | 
| 17. | Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin'ny fiafenana, | 
| 18. | Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin'ny halalin'ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy. | 
| ← Proverbs (9/31) → |