| ← Proverbs (8/31) → | 
| 1. | Tsy miantso va ny fahendrena, Ary tsy manandra-peo va ny fahalalana? | 
| 2. | Eo an-tampon'ny fitoerana avo amoron-dalana Sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany. | 
| 3. | Eo anilan'ny vavahady, amin'ny fidirana ho ao an-tanàna, Sy eo anaty vavahady no iantsoany maty hoe: | 
| 4. | Hianareo no antsoiko, ry olona; Ary ny feoko ho amin'ny zanak'olombelona. | 
| 5. | Fantaro ny fahendrena, ry kely saina; Ary fantaro ny fahalalana, ry adala. | 
| 6. | Henoy, fa hilaza zava-tsoa aho; Ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan'ny molotro. | 
| 7. | Fa ny marina ihany no holazain'ny vavako; Ary ny ratsy dia fahavetavetana, raha amin'ny molotro. | 
| 8. | Marina ny teny rehetra aloaky ny vavako; Tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy. | 
| 9. | Miharihary avokoa izy, raha amin'ny mazava saina, Ary mahitsy, raha amin'ny efa nahazo fahalalana. | 
| 10. | Aza ny volafotsy no raisina, fa ny anatro, Ary aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina. | 
| 11. | Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy. | 
| 12. | Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, Ary hitan'ny fahalalako ny fisainana mazava. | 
| 13. | Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an'i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa. | 
| 14. | Ahy ny fisainana sy ny fanambinana; Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery; | 
| 15. | Izaho no anjakan'ny mpanjaka Sy andidian'ny mpanapaka araka ny rariny; | 
| 16. | Izaho no anapahan'ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin'ny tany. | 
| 17. | Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy. | 
| 18. | Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana. | 
| 19. | Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan'ny hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina. | 
| 20. | Amin'ny alehan'ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin'ny lalan'ny fitsarana marina, | 
| 21. | Mba hampandovako harena izay tia ahy, Sy hamenoako ny firaketany. | 
| 22. | Jehovah nahary ahy ho fiandohan'ny alehany, Ho voalohany amin'ny asany hatramin'ny taloha. | 
| 23. | Izaho notendreny hatramin'ny fahagola, Eny, hatramin'ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany. | 
| 24. | Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be, | 
| 25. | Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho, | 
| 26. | Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan'ny vovo-tany ambonin'izao rehetra izao. | 
| 27. | Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin'ny lalina Izy, | 
| 28. | Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon'ny lalina, | 
| 29. | Raha nanisy faritra ho an'ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan'ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin'ny fanorenan'ny tany, | 
| 30. | Dia mpità-marika teo anilany aho Sady ravoravo isan'andro isan'andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany; | 
| 31. | Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak'olombelona. | 
| 32. | Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako; | 
| 33. | Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà. | 
| 34. | Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin'ny tolam-baravarako. | 
| 35. | Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin'i Jehovah; | 
| 36. | Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin'ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana. | 
| ← Proverbs (8/31) → |