| ← Proverbs (7/31) → | 
| 1. | Anaka, tandremo ny teniko, Ary raketo ao aminao ny didiko. | 
| 2. | Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko. | 
| 3. | Afehezo eo amin'ny rantsan-tananao izy, Soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka izy. | 
| 4. | Ny fahendrena dia ilazao hoe: Anabaviko ianao; Ary ny fahafantarana dia antsoy hoe: Sakaiza mahazatra ianao; | 
| 5. | Mba hiarovana anao amin'ny vehivavy jejo, Dia amin'ny vahiny janga izay manao teny mandrobo. | 
| 6. | Fa teo amin'ny varavarankelin'ny tranoko, Dia teo amin'ny makarakara, no nitsirihako, | 
| 7. | Ka nahita anankiray tamin'ny kely saina aho, Eny, nandinika ny tovolahy aho ka nahita zazalahy anankiray tsy ampy saina, | 
| 8. | Izay nandeha tamin'ny lalana akaikin'ny zoron-tranon'ny vehivavy janga Sy nizotra nankany an-tranony, | 
| 9. | Nony takariva ilay somambisamby iny Sy tamin'ny alina efa maizina dia maizina. | 
| 10. | Dia, indro, nisy vehivavy nitsena azy Sady manao fitafin'ny janga no mifetsy am-po, | 
| 11. | Sady vavàna no maditra, Tsy mahajanona ao an-tranony ny tongony; | 
| 12. | Fa vetivety mby eny an-dalam-be izy, ary vetivety mby eny an-tsena, Ary mamitsaka eny an-joron-trano rehetra eny izy. | 
| 13. | Ka dia nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy Sady nisolantsolana taminy ka nilaza hoe: | 
| 14. | Efa nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho; Ary androany no nanefako ny voadiko. | 
| 15. | Koa dia nivoaka hitsena anao aho, Mba hitady fatratra ny tarehinao, ka dia nahita anao tokoa. | 
| 16. | Ny fandriako efa nasiako firakotra tsara, Dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly hatrany Egypta. | 
| 17. | Efa norarahako zava-manitra ny fandriako, Dia miora sy hazomanitra ary havozo manitra. | 
| 18. | Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain'ny andro, Aoka ho feno fahafinaretana amin'ny fitiavana isika. | 
| 19. | Fa tsy ao an-trano ny lehilahy, Fa lasa nivahiny lavitra izy; | 
| 20. | Ny kitampom-bola dia nentiny any an-tànany, Ka tsy mbola hody izy mandra-pahafenon'ny volana. | 
| 21. | Tamin'ny teny maro no nampanekeny azy, Tamin'ny fandroboan'ny molony no nitaomany azy, | 
| 22. | Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin'izay ilay zatovo, | 
| 23. | Ambara-piboroaky ny lefom-pohy amin'ny atiny, Ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, Fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany. | 
| 24. | Koa mihainoa ahy ianareo, anaka, Ary tandremo ny teny aloaky ny vavako. | 
| 25. | Aoka tsy hivily ho any amin'ny lalany ny fonareo, Ary aza mania ho amin'ny alehany. | 
| 26. | Fa betsaka no naripany ka maty; Ary maro be no efa matiny. | 
| 27. | Ny tranony dia lalana mankany amin'ny fiainan-tsi-hita, Eny, midina ho any amin'ny efi-tranon'ny fahafatesana. | 
| ← Proverbs (7/31) → |