| ← Proverbs (6/31) → | 
| 1. | Anaka, raha niantoka ny namanao ianao Ary nandray tanana hiantoka ny hafa, | 
| 2. | Ka voafandriky ny teny naloaky ny vavanao ianao Sady voasingotry ny teny naloaky ny vavanao, | 
| 3. | Dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao (Satria efa mby eo an-tanan'ny namanao ianao): Andeha mihohoka sy mifona mafy amin'ny namanao. | 
| 4. | Aza avela hatory akory ny masonao, Ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao. | 
| 5. | Afaho ny tenanao toy ny gazela miala amin'izay mihazona azy, Ary toy ny voron-kely miala amin'ny tanan'ny mpamandrika. | 
| 6. | Mandehana any amin'ny vitsika, ry ilay malaina; Diniho ny fanaony, ka mba hendre; | 
| 7. | Tsy manana komandy ireny, Na mpifehy, na mpanapaka, | 
| 8. | Nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy, Ary manangona ny fihinany amin'ny fararano. | 
| 9. | Mandra-pahoviana no mbola handry ihany ianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin'ny torimasonao ianao? | 
| 10. | Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, Ary mbola hanohon-tanana kely hatory, | 
| 11. | Dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy. | 
| 12. | Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy Dia ilay mandehandeha manao vava ratsy, | 
| 13. | Izay mami-maso sy manao famantarana amin'ny tongony Ary manao baiko amin'ny rantsan-tànany; | 
| 14. | Fahafetsena no ao am-pony, Mihevi-dratsy mandrakariva izy Sady mamafy ady. | 
| 15. | Ary noho izany dia ho avy tampoka kosa ny loza hanjo azy; Ho torotoro tampoka izy, ka tsy hisy fahasitranana. | 
| 16. | Izao enina izao no halan'i Jehovah, Eny, fito no ataony ho fahavetavetana: | 
| 17. | Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tanana mandatsa-drà marina, | 
| 18. | Ny fo mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy, | 
| 19. | Ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin'ny rahalahy. | 
| 20. | Anaka, tandremo ny didin-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao. | 
| 21. | Afatory amin'ny fonao mandrakariva ireo, Ary afehezo eo am-bozonao, | 
| 22. | Raha mandeha ianao, dia hitari-dalana anao ireo; Raha mandry ianao, dia hiambina anao; Ary raha mifoha ianao, dia hamelona eritreritra anao. | 
| 23. | Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, Ary lalan'aina ny anatra famaizana, | 
| 24. | Hiarovana anao amin'ny vehivavy ratsy fanahy, Ary amin'ny fandroboan'ny lelan'ny vahiny janga. | 
| 25. | Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin'ny hodimasony izy. | 
| 26. | Fa noho ny vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan'ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin'ny vadin'ny olona no mihaza ny aina soa. | 
| 27. | Mahatondra afo ao an-tratran'akanjony va ny olona, Ka tsy ho may ny akanjony? | 
| 28. | Misy mahadia vain'afo va, Ka tsy ho may ny tongony? | 
| 29. | Dia toy izany izay mankamin'ny vadin'ny namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy. | 
| 30. | Tsy avelan'ny olona ho afa-maina ny mpangalatra, Raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy, na dia noana aza; | 
| 31. | Fa raha azo izy, dia hampanoneriny fito heny Ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony. | 
| 32. | Izay mijangajanga amin'ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany. | 
| 33. | Voakapoka sy afa-baraka izy Ary tsy ho afaka amin'ny tondro-molotra. | 
| 34. | Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran-dehilahy, Koa tsy hamindra fo izy amin'ny andro hamaliany. | 
| 35. | Tsy handray vola ho enti-manalady akory izy, Ary tsy hety, na dia omenao fanambatambazana be aza. | 
| ← Proverbs (6/31) → |