| ← Proverbs (3/31) → |
| 1. | Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko; |
| 2. | Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao. |
| 3. | Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka, |
| 4. | Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao. |
| 5. | Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao; |
| 6. | Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao, |
| 7. | Aza manao anao ho hendry; Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy. |
| 8. | Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao. |
| 9. | Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao Sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra; |
| 10. | Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin'ny vata fanantazanao. |
| 11. | Anaka, aza manamavo ny famaizan'i Jehovah, Ary aza tofoka amin'ny fananarany; |
| 12. | Fa izay tian'i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon'ny ray amin'ny zanaka tiany. |
| 13. | Sambatra izay olona mahita fahendrena Sy izay olona mahazo fahalalana. |
| 14. | Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, Ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara. |
| 15. | Sarobidy noho ny voahangy izy; Ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy. |
| 16. | Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; Ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia. |
| 17. | Làlana mahafinaritra ny lalany, Ary fiadanana ny alehany rehetra. |
| 18. | Hazon'aina ho an'izay rehetra mifikitra aminy izy; Ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra. |
| 19. | Fahendrena no nanorenan'i Jehovah ny tany, Ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra. |
| 20. | Ny fahalalany no entiny mampiboiboika ny rano any amin'ny lalina Sy ampitetevany ando avy amin'ny rahona. |
| 21. | Anaka, aoka tsy hiala amin'ny masonao izany; Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava, |
| 22. | Ka dia ho ain'ny fanahinao izany Ary ho firavaky ny vozonao, |
| 23. | Dia handroso aman-toky ianao, Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao. |
| 24. | Tsy hatahotra ianao, raha mandry; Eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao. |
| 25. | Aza manahy ny tahotra avy tampoka, Na ny rivo-doza mamely ny ratsy fanahy, raha avy izany; |
| 26. | Fa Jehovah no ho tokinao Ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika. |
| 27. | Aza mamihina ny soa amin'izay tokony homena azy, Raha azon'ny tananao atao ihany; |
| 28. | Aza manao amin'ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao. |
| 29. | Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy. |
| 30. | Aza miady amin'olona foana, Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy. |
| 31. | Aza mialona ny olon-dozabe, Na mifidy izay lalany akory, |
| 32. | Satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany. |
| 33. | Ny ozon'i Jehovah dia ao an-tranon'ny ratsy fanahy; Fa ny fonenan'ny marina dia tahìny kosa. |
| 34. | Na dia tsiratsirainy aza ny mpaniratsira, Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra. |
| 35. | Ny hendry handova voninahitra; Fa henatra kosa no ho anjaran'ny adala. |
| ← Proverbs (3/31) → |