| ← Proverbs (22/31) → |
| 1. | Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena. |
| 2. | Mihaona ny manan-karena sy ny malahelo; Fa Jehovah no Mpanao azy roa tonta. |
| 3. | Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa. |
| 4. | Ny valin'ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an'i Jehovah Dia harena sy voninahitra ary fiainana. |
| 5. | Tsilo sy fandrika no amin'ny alehan'ny maditra; Fa izay te-hiaro ny ainy dia manalavitra izany. |
| 6. | Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany. |
| 7. | Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo, Ary izay misambotra dia mpanompon'ny mampisambotra. |
| 8. | Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana, Ary ho levona ny tsorakazon'ny fahatezerany. |
| 9. | Izay manana maso miantra hotahina, Satria anomezany ho an'ny malahelo ny haniny. |
| 10. | Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, Eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka. |
| 11. | Izay tia fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony. Sady sakaizan'ny mpanjaka izy. |
| 12. | Ny mason'i Jehovah miaro ny manam-pahalalana; Fa ny tenin'ny mpivadika dia foanany. |
| 13. | Hoy ny malaina: Misy liona any ivelany; Ho fatin'ny sasany any an-dalambe aho. |
| 14. | Ny vavan'ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; Izay voaozon'i Jehovah no ho latsaka ao. |
| 15. | Miraikitra amin'ny fon'ny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy. |
| 16. | Izay mampahory ny malahelo dia mampitombo ny hareny; Fa izay manome ho an'ny manana kosa dia mampihena ny hareny. |
| 17. | Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin'ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao; |
| 18. | Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao an-kibonao izany, Koa aoka samy ho eo amin'ny molotrao. |
| 19. | Hianao dia ianao no nampahafantariko izany, Mba hitokianao amin'i Jehovah. |
| 20. | Tsy efa nanoratra zava-tsoa ho anao va aho, Izay misy hevitra tsara sy fahalalana, |
| 21. | Mba hampahafantariko ny fahamarinan'ny teny mahatoky ianao, Sy hahazoanao teny holazaina amin'izay naniraka anao? |
| 22. | Aza manosihosy ny malahelo, saingy malahelo izy; Ary aza dia manifakifa ny ory eo am-bavahady; |
| 23. | Fa Jehovah anie ka hisolo vava azy amin'ny adiny. Ary hanimba ny ain'izay manimba azy. |
| 24. | Aza misakaiza amin'ny olona mora tezitra, Ary aza miara-dia amin'ny olona foizina, |
| 25. | Fandrao ianao mianatra ny fanaony Ka mahazo fandrika ho an'ny ainao. |
| 26. | Aza mety ho isan'ny mifandray tanana, Na izay mianto-trosa; |
| 27. | Raha tsy manan-kaloa ianao, Nahoana no dia halainy ny lafika andrianao? |
| 28. | Aza manakisaka ny fari-tany ela, Izay naorin'ny razanao. |
| 29. | Mahita olona mailaka amin'ny raharahany va ianao? Eo anatrehan'ny mpanjaka no hitsanganany, Fa tsy hitsangana eo anatrehan'ny olona ambany izy. |
| ← Proverbs (22/31) → |