| ← Proverbs (21/31) → |
| 1. | Rano velona eo an-tànan'i Jehovah ny fon'ny mpanjaka, Ka tarihiny amin'izay tiany. |
| 2. | Ataon'ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo. |
| 3. | Ny hanao izay marina sy mahitsy No sitrak'i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà. |
| 4. | Ny fiandranandran'ny maso sy ny fiavonavon'ny fo Izay jiron'ny ratsy fanahy dia ota. |
| 5. | Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; Fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany. |
| 6. | Ny fahazoan-karena amin'ny lela mandainga Dia fofonaina mihelina ho an'izay mitady fahafatesana. |
| 7. | Ny fitohatohan'ny ratsy fanahy hamongotra azy, Satria mandà tsy hanao izay marina izy. |
| 8. | Miolikolika ny lalan'ny mavesa-keloka; Fa mahitsy ny ataon'ny madio. |
| 9. | Aleo mitoetra eo an-joron'ny tampon-trano Toy izay hiray trano amin'ny vehivavy tia ady. |
| 10. | Ny fanahin'ny ratsy fanahy maniry ny ratsy, Ka na dia ny havany aza tsy mahita fitia eo imasony. |
| 11. | Raha ampijalina ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary raha toroan-kevitra ny hendry, dia hahazo fahalalana izy. |
| 12. | Ny Iray Marina no mandinika ny tranon'ny ratsy fanahy Ka mamarina azy ho amin'ny loza. |
| 13. | Izay manentsin-tadiny amin'ny fitarainan'ny malahelo, Dia mba hitaraina kosa izy, fa tsy hohenoina. |
| 14. | Ny fanomezana mangingina mampionona ny fahatezerana, Ary ny kolikoly amin'ny takona mampitsahatra ny fahavinirana mafy. |
| 15. | Fifalian'ny marina ny hanao araka ny rariny; Fa zava-mahatahotra ny mpanao ratsy kosa izany. |
| 16. | Ny olona izay mivily miala amin'ny lalan'ny fahendrena Dia hitoetra ao amin'ny fivorian'ny fanahin'ny maty. |
| 17. | Izay tia fanaranam-po dia olona halahelo, Eny, izay tia divay sy diloilo tsy mba hanan-karena. |
| 18. | Ny ratsy fanahy dia ho avotry ny marina, Ary ny mpivadika ho solon'ny mahitsy. |
| 19. | Aleo mitoetra any an-efitra Toy izay amin'ny vehivavy tia ady sady foizina. |
| 20. | Harena mahafinaritra sy diloilo no ao amin'ny tranon'ny hendry; Fa ny adala mandany azy. |
| 21. | Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindram-po Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra. |
| 22. | Ny hendry mananika ny vohitry ny mahery Ka mandrodana ny fiarovana mafy izay itokiany. |
| 23. | Izay miambina ny vavany sy ny lelany Dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana. |
| 24. | Izay mirehareha sy miavonavona no atao hoe mpaniratsira, Dia izay olona fatra-piavonavona. |
| 25. | Ny fanirian'ny malaina hahafaty azy, Satria ny tànany tsy mety miasa tsinona; |
| 26. | Maniry fatratra mandritra ny andro izy; Fa ny marina kosa manome ka tsy mba mahihitra. |
| 27. | Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana, Ka indrindra raha amin'ny sain-dratsy no itondrany azy. |
| 28. | Ho faty ny vavolombelona mandainga; Fa izay mihaino dia hiteny mandrakariva. |
| 29. | Ny ratsy fanahy mampiseho ny fahasahisahiany amin'ny tarehiny; Fa ny marina kosa dia mihevitra izay halehany. |
| 30. | Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana mahaleo an'i Jehovah. |
| 31. | Voaomana ny soavaly ho amin'ny andro iadiana; Fa an'i Jehovah ihany ny fandresena. |
| ← Proverbs (21/31) → |