| ← Proverbs (20/31) → |
| 1. | Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon'izany dia tsy hendry. |
| 2. | Ny fampitahoran'ny mpanjaka dia toy ny fieron'ny liona tanora; Izay mampahatezitra azy dia mankahà -doza hihatra amin'ny ainy, |
| 3. | Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady; Fa ny adala rehetra kosa misafoaka. |
| 4. | Ny malaina tsy mety miasa amin'ny ririnina, Ka dia hangataka izy raha fararano, fa tsy hahazo. |
| 5. | Rano lalina ny hevitra ao am-pon'ny olona; Fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany, |
| 6. | Maro ny olona samy midera ny soa ataon'ny tenany avy; Fa izay olo-mahatoky, iza moa no mahita azy? |
| 7. | Izay olona marina mandeha amin'ny fahitsiany Sambatra ny zanany mandimby azy. |
| 8. | Mipetraka eo amin'ny seza fitsarana ny mpanjaka, Ka mikororoka manaisotra ny ratsy rehetra ny masony. |
| 9. | Iza no mahazo manao hoe: Efa nahadio ny foko aho Ka madio tsy manana ota? |
| 10. | Ny vato mizana samy hafa sy ny vata famarana samy hafa Dia samy fahavetavetana eo imason'i Jehovah. |
| 11. | Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin'ny fanaony Na madio sy mahitsy ny fitondran-tenany. |
| 12. | Ny sofina mandre sy ny maso mahita Dia samy nataon'i Jehovah avokoa. |
| 13. | Aza tia torimaso ianao, fandrao tonga malahelo; Ahirato ny masonao, dia ho voky hanina ianao. |
| 14. | Ratsy! ratsy! hoy ny mpividy; Kanjo nony lasa izy, dia mandoka tena. |
| 15. | Ao ihany ny volamena sy ny voahangy betsaka; Fa ny molotra misy fahalalana no ravaka soa. |
| 16. | Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon'ny vahiny niantohany. |
| 17. | Mamin'ny olona ny hanina azo amin'ny fitaka; Kanjo ho feno fasika ny vavany any am-parany. |
| 18. | Ny hevitra rehetra dia aorin'ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady. |
| 19. | Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina, Koa aza miraharaha amin'izay mibedibedy foana. |
| 20. | Izay manozona ny rainy na ny reniny, Dia ho faty ao amin'ny alim-pito ny jirony. |
| 21. | Ny harena malaky azo foana eo am-boalohany Dia tsy hotahina any am-parany. |
| 22. | Aza manao hoe: Hamaly ny ratsy nataony aho; Fa andraso Jehovah, fa Izy no hamonjy anao. |
| 23. | Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny vato samy hafa, Ary ny mizana mandainga dia tsy tsara. |
| 24. | Avy amin'i Jehovah ny dian'ny olona, Ary hataon'izay olombelona ahoana no hahafantatra ny lalany? |
| 25. | Fandrika amin'ny olona ny malaky manao hoe: Zavatra masina ity; Ka nony vita ny voady, vao mamototra. |
| 26. | Ny mpanjaka hendry mikororoka manaisotra ny ratsy fanahy Sady mitarika ny kodia fivelezana eo amboniny. |
| 27. | Jiron'i Jehovah ny fanahin'ny olona, Itsilovana ny efitrefitra rehetra ao am-po. |
| 28. | Famindram-po sy fahamarinana no miaro ny mpanjaka, Ary ampitoeriny amin'ny famindram-po ny seza fiandrianany. |
| 29. | Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany, Ary ravaky ny anti-panahy ny volo fotsy. |
| 30. | Ny fampangirifiriana dia mahafaka ny faharatsiana, Ary ny kapoka mahadio ny efitrefitra ao an-kibo. |
| ← Proverbs (20/31) → |