← Proverbs (12/31) → |
1. | Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mandà anatra dia biby. |
2. | Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin'i Jehovah; Fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny. |
3. | Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; Fa ny fakan'ny marina tsy mba hihetsika. |
4. | Ny vehivavy tsara dia satro-boninahitry ny lahy; Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lò ao anatin'ny taolana. |
5. | Rariny ny hevitry ny marina; Fa fitaka ny fisainan'ny ratsy fanahy. |
6. | Ny tenin'ny ratsy fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-drà; Fa ny vavan'ny marina hamonjy azy. |
7. | Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony; Fa ny mpianakavin'ny marina haharitra. |
8. | Araka ny fahendren'ny olona no hiderana azy; Fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona. |
9. | Aleo ambany toetra, nefa manana mpanompo iray, Toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory. |
10. | Ny marina mitsimbina ny ain'ny bibiny; Fa fahasiahana kosa no famindram-pon'ny ratsy fanahy; |
11. | Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; Fa izay manaraka ny olom-poana dia tsy ampy saina. |
12. | Ny mpanota maniry ny hazan. |
13. | Amin'ny fahotan'ny molotra dia misy fandrika ahitan-doza; Fa ny marina ho afaka amin'ny fahoriana. |
14. | Ny vokatry ny vavan'ny olona no mahavoky soa azy, Ary ny asan'ny tànany hitsingerina aminy. |
15. | Ny lalan'ny adala dia mahitsy eo imasony; Fa izay mino anatra no hendry. |
16. | Ny fahasosoran'ny adala dia fantatra miaraka amin'izay; Fa izay mahatsindry fo amin'ny fanalam-baraka no hendry. |
17. | Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka. |
18. | Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron'ny sabatra; Fa ny lelan'ny marina dia fanasitranana kosa. |
19. | Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja. |
20. | Fitaka no ao am-pon'izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin'izay misaina fiadanana. |
21. | Tsy misy ratsy manjo ny marina; Fa heni-doza ny ratsy fanahy. |
22. | Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany. |
23. | Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana; Fa ny fon'ny adala mamoaka fahadalana. |
24. | Ny tanan'ny mazoto no hanapaka; Fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina. |
25. | Ny alahelo ao am-pon'ny olona dia mampitanondrika azy; Fa ny teny soa no mahafaly azy. |
26. | Ny marina dia mitari-dalana ny namany; Fa ny alehan'ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy. |
27. | Ny kamo tsy mety mihaza; Fa fananana soa ho an'ny olona ny zoto. |
28. | Amin'ny lalan'ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no lalan-kalehany. |
← Proverbs (12/31) → |