← Micah (7/7) |
1. | Lozako! fa efa tonga toy ny fiotazam-boankazo aho Sy toy ny fitsimponam-boaloboka, Tsy misy salohy hohanina, Na aviavy mialin-taona, izay irin'ny fanahiko, |
2. | Lany tsy misy amin'ny tany intsony ny tsara fanahy; Eny, tsy misy olo-marina ao amin'ny olombelona; Samy manotrika handatsa-drà avokoa izy, Eny, mihaza ny rahalahiny amin'ny harato izy rehetra. |
3. | Vonona hanao ratsy ny tànany; Mila ny mpanapaka, Azon-kolikoly ny mpitsara, Ary ny lehibe milaza ny fitsiriritan'ny fanahiny, Koa izany no entiny mandrarirary azy. |
4. | Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny roy, Ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo; Avy ny andron'ny tilinao, izay hamaliana anao; Amin'izany dia vao ho very hevitra ianao. |
5. | Aza matoky namana ianareo, Aza mahazo am-po izay sakaiza mahazatra; Fa ambeno ny varavaran'ny vavanao na dia amin'izay andefimandrinao aza. |
6. | Fa ny zanakalahy manamavo ny rainy, Ny zanakavavy mitsangan-kanohitra ny reniny, Ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy; Ary ny ankohonan'ny olona ihany no fahavalony. |
7. | Fa izaho kosa dia hanandrandra an'i Jehovah, Eny, hiandry an'Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy. |
8. | Aza mifaly ahy, ry fahavaloko, Fa na dia lavo aza aho, mbola hiarina ihany; Raha mitoetra ao amin'ny maizina aho, Dia Jehovah no fahazavana ho ahy. |
9. | Ny fahatezeran'i Jehovah dia hiaretako ihany, Fa efa nanota taminy aho, Ambara-pandahany ny teniko Sy hanomezany rariny ho ahy; Hamoaka ahy ho amin'ny mazava Izy, Ka ho faly aho mahita ny fahamarinany. |
10. | Dia hahita izany ilay fahavaloko ka hosaronan-kenatra, Dia ilay nanao tamiko hoe: Aiza Izay Jehovah Andriamanitrao? Ho faly mahita azy ny masoko; Ankehitriny dia ho fanitsakitsaka toy ny fotaka eny an-dalambe izy. |
11. | He ny andro hananganana ny mandanao! Amin'izany andro izany dia hitarina ny faritra. |
12. | Amin'izany andro izany koa dia hanatona anao ny olona Avy any Asyria sy avy any amin'ny tanànan'i Egypta, Ary hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina, Ary hatramin'ny tendrombohitra ka hatramin'ny tendrombohitra. |
13. | Nefa ho lao ny tany noho ny amin'ny mponina eo aminy, Dia noho ny vokatry ny asany. |
14. | Ny tehinao no ento miandry ny olonao, Dia ny ondry lovanao, Izay monina mitokana, dia any an'ala ao an-tampon'i Karmela; Aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny Toy ny tamin'ny andro taloha ela. |
15. | Toy ny tamin'ny andro nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta No hanehoako azy zava-mahagaga. |
16. | Hahita izany ny jentilisa, Ka hahamenatra azy ny heriny rehetra; Hitampim-bava izy, Ho tonga marenina ny sofiny. |
17. | Hilelaka ny vovoka toy ny menarana izy; Hiala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy tahaka ny biby mikisaka amin'ny tany izy; Jehovah Andriamanitsika dia hohatoniny amin-kovitra, Eny, hatahotra Anao izy. |
18. | Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindram-po. |
19. | Hamindra fo amintsika indray Izy Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, Eny, harianao ho any amin'ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra. |
20. | Hanefa fahamarinana ho an'i Jakoba Hianao Sy famindram-po ho an'i Abrahama, Dia ilay nianiananao tamin'ny razanay hatramin'ny andro taloha ela. |
← Micah (7/7) |