Malachi (1/4)  

1. Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah nampitondrainy an'i Malakia ho amin'ny Isiraely.
2. Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah; nefa hoy ianareo: Inona no nentinao nitia anay? Tsy rahalahin'i Jakoba va Esao? hoy Jehovah; nefa Jakoba no tiako,
3. fa Esao no halako, ka nataoko tany lao ny tendrombohiny, ary ny lovany natolotro ho an'ny amboadia any an-efitra.
4. Na dia hoy aza Edoma: Torotoro izahay, nefa mbola hamboarinay indray ny efa rava dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ireo dia hanamboatra, fa Izaho kosa handrava; ary dia hatao hoe tanin'ny faharatsiana, dia firenena tezeran'i Jehovah mandrakizay, ireo.
5. Ary ny masonareo no hahita, ka dia hiteny ianareo hanao hoe: Jehovah dia lehibe ny tanin'ny Isiraely.
6. Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon'ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako. nefa manao hoe: Amin'inona no anamavoanay ny anaranao?
7. Amin'ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin'ny alitarako. Nefa ianareo manao hoe: Amin'inona no andotoanay Anao ? Amin'ny fanaovanareo hoe: Ny latabatr'i Jehovah dia fanazimbazimba.
8. Ary raha jamba no entinareo hovonoina hatao fanatitra, tsy ratsy hoe izany! Ary raha mandringa sy marary no entinareo, tsy ratsy hoe izany! Atero ho an'ny governora manapaka anao ange izany, moa hahazo sitraka na fitia aminy va ianao? hoy Jehovah Tompon'ny maro.
9. Koa masìna ianareo, andeha mifona amin'Andriamanitra hamindrany fo amintsika fa ny tananareo no nahatonga izany, moa hankasitraka va Izy noho ny aminareo? hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
10. Enga anie ka hisy aminareo handrindrina ny varavarana ka tsy handrehitra afo foana eo ambonin'ny alitarako! Tsy hankasitraka anareo Aho, na ta-handray fanatitra amin'ny tananareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
11. Fa hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany dia lehibe any amin'ny jentilisa ny anarako, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
12. Fa ianareo kosa manamavo izany amin'ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr'i Jehovah, ary ny haniny aterina eo dia tsinontsinona.
13. Hoy koa ianareo: Tsy mba hasasarana lahy ! ary ikifonanareo izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; entinareo ny nalaina an-keriny sy ny mandringa sy ny marary, ka dia aterinareo ho fanatitra; moa ta-handray izany amin'ny tenanareo va Aho ? hoy Jehovah.
14. Fa voaozona ny mpamitaka, izay manana ondrilahy ao amin'ny ondriny, ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an'ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ny anarako dia mahatahotra any amin'ny jentilisa.

      Malachi (1/4)