← Judges (12/21) → |
1. | Ary nivory ny lehilahy amin'ny Efraima, dia nandeha nianavaratra ka nanao tamin'i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin'ny taranak'i Amona ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin'ny afo ny tranonao sy ianao. |
2. | Fa hoy Jefta taminy: Izaho sy ny oloko efa nanana ady mafy tamin'ny taranak'i Amona; ary niantso anareo aho, fa tsy namonjy ahy tamin'ny tànany ianareo. |
3. | Ary rehefa hitako fa tsy namonjy ahy ianareo, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nandeha niady tamin'ny taranak'i Amona, ary natolotr'i Jehovah teo an-tanako izy, koa nahoana ianareo no miakatra atỳ amiko anio hila ady amiko? |
4. | Ary Jefta dia namory ny lehilahy rehetra amin'ny Gileada ka niady tamin'ny Efraima; ary dia namely ny Efraima ny lehilahy amin'ny Gileada, satria hoy ireo: Hianareo Gileadita dia mpandositra avy amin'ny Efraima ao amin'ny taranak'i Efraima sy Manase. |
5. | Dia novonjen'ny Gileada ny fitàna any Jordana mankany amin'ny Efraima; ary nony niteny ny mpandositra avy amin'ny Efraima nanao hoe: Aoka mba hita aho; dia hoy ny lehilahy amin'ny Gileada taminy: Efraimita va ianao? ary raha hoy izy: Tsia, |
6. | dia hoy izy ireo taminy: Tonony ary ny hoe Shiboleta; fa hoy kosa izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy ireo ka namono azy teo amin'ny fitàna ao Jordana; ary nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin'izany andro izany. |
7. | Dia nitsara ny Isiraely enin-taona Jefta. Ary maty Jefta Gileadita ka nalevina tao amin'ny tanana anankiray any Gileada. |
8. | Ary Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Isiraely nandimby an'i Jefta. |
9. | Ary izy nanana zanakalahy telo-polo sy zanakavavy telo-polo, izay nampanambadiny tany ivelany, ary zazavavy telo-polo kosa no nampidiriny ho an'ny zananilahy. Ary nitsara ny Isiraely fito taona izy. |
10. | Dia maty Ibzana ka nalevina tany Betlehema. |
11. | Ary Elona Zebolonita no nitsara ny Isiraely nandimby azy; ary nitsara ny Isiraely folo taona izy. |
12. | Dia maty Elona Zebolonita ka nalevina tany Aialona ao amin'ny tanin'ny Zebolona. |
13. | Ary Abdona, zanak'i Elela, avy any Piratona, no nitsara ny Isiraely nandimby azy. |
14. | Ary nanana zanakalahy efa-polo sy zafy telo-polo izay nitaingina zana-boriky fito-polo izy, ary nitsara ny Isiraely valo taona. |
15. | Dia maty Abdona, zanak'i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin'ny tanin'ny Efraima any amin'ny tany havoan'ny Amalekita. |
← Judges (12/21) → |