| ← Judges (11/21) → |
| 1. | Ary Jefta Gileadita dia lehilahy mahery sy zanaky ny vehivavy janga; ary Gileada no rainy niteraka azy. |
| 2. | Ary ny vadin'i Gileada dia niteraka zazalahy maro taminy; ary nony efa lehibe ireo zana-badiny ireo, dia nandroaka an'i Jefta ka nanao taminy hoe: Tsy handova eto amin'ny taranaky ny rainay ianao, fa zanaky ny vehivavy hafa. |
| 3. | Ary Jefta nandositra ny rahalahiny ka nonina tany amin'ny tany Toba; dia nisy olom-poana nivory teo amin'i Jefta ka niaraka taminy. |
| 4. | Ary nony ela, dia nanafika ny Zanak'Isiraely ny taranak'i Amona. |
| 5. | Ary rehefa nanafika ny Isiraely ny taranak'i Amona, dia nandeha ny loholon'i Gileada haka an'i Jefta hiala any amin'ny tany Toba. |
| 6. | Ary hoy izy ireo taminy: Avia ho mpitarika anay ianao, hiadiantsika amin'ny taranak'i Amona. |
| 7. | Fa hoy Jefta tamin'ny loholon'i Gileada: Tsy efa nankahala ahy va ianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon'ny raiko? Koa nahoana no mankaty amiko indray ianareo ankehitriny, nony azom-pahoriana? |
| 8. | Dia hoy ny loholon'i Gileada tamin'i Jefta: Izany no iverenanay atỳ aminao ankehitriny, mba handehananao miaraka aminay, sy hiadianao amin'ny taranak'i Amona, ka dia ho lohany aminay mponina rehetra any Gileada ianao. |
| 9. | Dia hoy Jefta tamin'ny loholon'i Gileada: Raha ho entinareo mody indray aho mba hiady amin'ny taranak'i Amona, ka hatolotr'i Jehovah eo anoloako ireny, dia izaho hoe no ho lohany aminareo? |
| 10. | Dia hoy ny loholon'i Gileada tamin'i Jefta: Jehovah no ho vavolombelona amintsika, raha tsy hataonay araka izany teninao izany. |
| 11. | Dia nandeha Jefta niaraka tamin'ny loholon'i Gileada, ka dia nasandratry ny vahoaka ho lohany sy ho mpitarika azy izy; ary Jefta nilaza ny teniny rehetra teo anatrehan'i Jehovah tao Mizpa. |
| 12. | Dia naniraka olona Jefta nankamin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, no tonga atỳ amiko hiady amin'ny taniko ianao? |
| 13. | Dia hoy ny mpanjakan'ny taranak'i Amona tamin'ny irak'i Jefta: Satria nalain'ny Isiraely ny taniko hatrany Arnona ka hatrany Jaboka ary hatrany Jordana, fony niakatra avy tany Egypta izy; koa avereno amin'ny fihavanana ary izany ankehitriny. |
| 14. | Ary Jefta naniraka olona indray nankany amin'ny mpanakan'ny taranak'i Amona |
| 15. | ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jefta: Ny Isiraely tsy naka ny tanin'i Moaba na ny tanin'ny taranak'i Amona. |
| 16. | Fa fony niakatra avy tany Egypta ny Isiraely, dia nandeha nitety ny efitra hatramin'ny Ranomasina Mena izy ka tonga tany Kadesy. |
| 17. | Dia naniraka olona ny Isiraely nankany amin'ny mpanjakan'i Edoma ka nanao hoe: Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; fa tsy nety nihaino izany ny mpanjakan'i Edoma. Ary naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Moaba koa izy; fa tsy nety koa izy; dia nitoetra tany Kadesy ny Isiraely. |
| 18. | Dia nandeha nitety ny efitra izy ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga teo atsinanan'i Moaba, ka nitoby teo an-dafin'i Arnona, fa tsy niditra teo anatin'ny faritanin'i Moaba; fa Arnona no fari-tanin'i Moaba. |
| 19. | Ary ny Isiraely dia naniraka olona tany amin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay mpanjakan'i Hesbona; ary hoy ny Isiraely taminy: Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay hankany amin'ny fonenanay. |
| 20. | Fa Sihona tsy natoky ny Isiraely hamaky ny fari-taniny, fa namory ny vahoakany rehetra izy, dia nitoby tany Jahaza ka niady tamin'ny Isiraely. |
| 21. | Ary Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanolotra an'i Sihona sy ny vahoakany rehetra teo an-tànan'ny Isiraely, ka namely azy ireo; dia azon'ny Isiraely ny tanin'ny Amorita rehetra, mponina tany amin'izany tany izany. |
| 22. | Dia nahazo ny tanin'ny Amorita rehetra izy hatrany Arnona, ka hatrany Jaboka ary hatramin'ny efitra ka hatrany Jordana. |
| 23. | Koa ankehitriny, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nandroaka ny Amorita teo anoloan'ny Isiraely olony: ary ianao kosa va tahaka ny tany? |
| 24. | Moa tsy hotananao izay tany omen'i Kemosy andriamanitrao anao va? Atỳ izay tany rehetra omen'i Jehovah Andriamanitray anay dia mba hotananay kosa. |
| 25. | Moa tsara noho Balaka, zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, va ianao? Nety nanohitra ny Isiraely na niady taminy akory va izy? |
| 26. | Raha ny Isiraely nitoetra telon-jato taona tany Hesboala sy ny zana-bohiny ary tany Aroera sy ny zana-bohiny ary tany amin'ny tanàna rehetra eny amoron'i Arnona, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin'izany andro izany? |
| 27. | Izaho tsy nanota taminao, fa ianao no manisy ratsy ahy, fa miady amiko; |
| 28. | Nefa tsy nohenoin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona ny tenin'i Jefta, izay nampitondrainy tany aminy. |
| 29. | Ary tonga tao amin'i Jefta ny Fanahin'i Jehovah, dia nandeha nitety an'i Gileada sy Manase izy; ka dia nitety an'i Mizpa any Gileada koa izy ka niala tany Mizpa any Gileada, dia nandroso nankany amin'ny taranak'i Amona. |
| 30. | Ary Jefta nivoady tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tanako tokoa ny taranak'i Amona, |
| 31. | dia ho an'i Jehovah Izay mivoaka amin'ny varavaran'ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin'ny taranak'i Amona aho, ary hateriko ho fanatitra dorana izany. |
| 32. | Dia nandeha Jefta nankany amin'ny taranak'i Amona hiady aminy: ary natolotr'i Jehovah teo an-tànany ireo. |
| 33. | Dia namely azy izy hatrany Aroera ka hatrany akaikin'i Minita sy hatrany Abela-keramima, dia tanàna roa-polo, ka be dia be no maty. Dia resy teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ny taranak'i Amona. |
| 34. | Ary Jefta tonga tany Mizpa ho any an-tranony, ary, indro, nivoaka ny zananivavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy hitsena azy; ary vavy tokany io, fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy. |
| 35. | Koa rehefa nahita azy Jefta, dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Indrisy, ry zanako-vavy! Efa nampitanondrika ahy indrindra ianao, ary ianao no tonga nampidi-doza tamiko; fa izaho efa niloa-bava tamin'i Jehovah, ka tsy azoko afody intsony. |
| 36. | Fa hoy ny zananivavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin'i Jehovah ary ianao, dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria Jehovah efa namaly ny taranak'i Amona fahavalonao ho anao. |
| 37. | Dia hoy koa izy tamin'ny rainy: Aoka izao no hatao amiko: aza maninona ahy aloha hatramin'ny roa volana mba handehandehanako hankeny amin'ny havoana hitomaniako, izaho sy ny namako, noho izaho mbola tsy nanambady akory. |
| 38. | Dia hoy kosa rainy: Mandehana ary. Dia nampandeha azy roa volana izy; ary dia nandeha razazavavy sy ny namany ka nitomany teny amin'ny havoana noho izy mbola tsy nanam-bady akory. |
| 39. | Ary rehefa tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin'ny rainy izy; ary nataony taminy araka ny voadiny izay nataony; ary tsy mbola nahalala lahy izy. Ary tonga fanao tamin'ny Isiraely |
| 40. | ny fandehanan'ny zazavavin'ny Isiraely isan-taona hankalaza ny zanakavavin'i Jefta Gileadita hefarana isan-taona. |
| ← Judges (11/21) → |