Joshua (15/24)  

1. Ary izao no anjaran'ny firenena taranak'i Joda tamin'ny filokana araka ny fokony: hatramin'ny fari-tanin'i Edoma dia ny efitra Zina atsimo, izay faran'ny faritany atsimo.
2. Ary ny fari-taniny atsimo dia hatramin'ny faran'ny Ranomasin-tsira, dia hatramin'ny helo-drano atsimo,
3. dia nandroso hatrany atsimon'ny fiakarana Akrabima, dia nandroso hatrany Zina, dia niakatra any atsimon'i Kadesi-barnea ka nandroso hatrany Hezrona dia niakatra any Adara ary niolaka hatrany Karka,
4. dia nandroso hatrany Azmona ka nahazo ny lohasahan-driak'i Egypta, ary dia nihatra tamin'ny ranomasina; izany no ho fari-taninareo atsimo.
5. Ary ny fari-tany atsinanana dia ny Ranomasin-tsira hatramin'ny faran'i Jordana. Ary ny fari-taniny tamin'ny lafiny avaratra dia hatramin'ny helo-drano eo amin'ny faran'i Jordana,
6. dia niakatra hatrany Beti-hogla ka nandroso any avaratr'i Bet-araba, dia niakatra hatramin'ny vaton'i Bohana, zanak'i Robena,
7. dia niakatra ho any Debira hatramin'ny lohasaha Akora ary nianavaratra manandrify an'i Gilgala tandrifin'ny fiakarana Adomina, izay eo atsimon'ny lohasahan-driaka, dia nandroso hatramin'ny rano Ensemesy ary nihatra tany En-rogela,
8. dia niakatra teo amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, ho eo anilany atsimon'ny Jebosita (Jerosalema izany), dia niakatra hatramin'ny tampon'ny tendrombohitra, izay manandrify ny lohasahan'i Hinoma eo andrefany, amin'ny farany avaratry ny Lohasahan'ny Refaita,
9. dia nizotra hatramin'ny tampon'ny tendrombohitra ka nihatra tamin'ny loharano Neftoa, dia nahazo ny tanàna tao an-tendrombohitra Efrona, dia nizotra hatrany Bala (Kiriata-jearima izany),
10. dia niolaka hatrany Bala andrefana ka hatramin'ny tendrombohitra Seira ka nandroso hatramin'ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jearima (Kesalona izany), dia nidina hatrany Beti-semesy ka nandroso hatrany Timna.
11. dia nihatra tamin'ny lafiny avaratr'i Ekrona, dia nizotra hatrany Sikerona ka nandroso hatramin'ny tendrombohitra Bala, dia nihatra tamin'i Jabniela, ary dia nihatra tany amin'ny ranomasina.
12. Ary ny fari-tany andrefana dia ny moron'ny Ranomasina Lehibe. Izany no fari-tany manodidina ny anjaran'ny taranak'i Joda araka ny fokony.
13. Ary Kaleba, zanak'i Jefone, dia nomeny anjara teo amin'ny taranak'i Joda, araka ny didin'i Jehovah tamin'i Josoa, dia ny tanànan'i Arba, rain'i Anàka (Hebrona izany).
14. Dia noroahin'i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita, dia Sesay sy Ahimana ary Talmay.
15. Dia niakatra avy tao izy hankany amin'ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran'i Debira taloha).
16. Ary hoy Kaleba: Izay mamely an'i Kiriata-sefera ka mahafaka azy, dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny.
17. Ary Otniela, zanak'i Kenaza, rahalahin'i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny.
18. Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin'ny borikiny ravehivavy, ka hoy Kaleba taminy: Inona no ilainao?
19. Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tsy tany misy rano no efa nomenao ahy, ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomeny azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
20. Izao no lovan'ny firenena taranak'i Joda araka ny fokony:
21. Ny tanàna farany amin'ny firenena taranak'i Joda, eo akaikin'ny fari-tanin'i Edoma amin'ny tany atsimo, dia Kabzela sy Edera sy Jagora
22. sy Kina sy Dimona sy Adada
23. sy Kadesy sy Hazora sy Itnana
24. sy Zifa sy Talema sy Bealota
25. sy Hazora-hadata sy Keriota-hezrona (Hazora izany),
26. sy Amama sy Sema sy Molada
27. sy Hazara-gada sy Hesmona sy Beti-paleta
28. sy Hazara-soala sy Beri-sheba sy Biziotia
29. sy Bala sy Ie sy Azema
30. sy Eltolada sy Kesila sy Horma
31. sy Ziklaga sy Madmana sy Sansana
32. sy Lebaota sy Silima sy Aina sy Rimona; sivy amby roa-polo ny tanàna rehetra sy ny zana-bohiny.
33. Ary teo amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Estaola sy Zora sy Asna
34. sy Zanoa sy En-ganima sy Tapoa sy Enama
35. sy Jarmota sy Adolama sy Soko sy Azeka
36. sy Saraima sy Aditaima sy Gadera sy Gederotaima: tanàna efatra ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
37. ary Zenana sy Hadasa sy Migdala-gada
38. sy Dilana sy Mizpa ary Joktela
39. sy Lakisy sy Bozkata sy Eglona
40. sy Kabona sy Lamasa sy Kitlisa
41. sy Gederota sy Beti-dagona sy Nama sy Makeda: tanàna enina ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
42. Libna sy Atera sy Asana
43. sy Jifta sy Asna ary Neziba
44. sy Keila sy Akziba ary Maresa: tanàna Sivy sy ny zana-bohiny;
45. Ekrona sy ny tanànany ary ny zana-bohiny;
46. hatrany Ekrona no ho miankandrefana, dia izay rehetra akaiky an'i Asdoda, sy ny zana-bohitr'ireo,
47. Asdoda sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, Gaza sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta sy ny amoron'ny Ranomasina Lehibe.
48. Ary tany amin'ny tany havoana dia Samira sy Jatira sy Soko
49. sy Dana sy Ririata-sana (Debira izany)
50. sy Anaba sy Estemo sy Anima
51. sy Gosena sy Holona sy Gilo: tanàna iraika ambin'ny folo sy ny zana-bohiny;
52. Araba sy Doma sy Esana
53. sy Janoma sy Beti-tapoa sy Afeka
54. sy Honta sy Kiriat-arba (Hebrona izany) ary Ziora: tanàna sivy sy ny zana-bohiny;
55. Maona sy Karmela sy Zifa sy Jota
56. sy Jezirela sy Jokdeama sy Zanoa
57. sy Kaina sy Gibea sy Timna: tanana folo sy ny zana-bohiny;
58. sy Halola sy Beti-zora sy Gedora
59. sy Marata sy Bet-anota sy Eltekona: tanàna enina sy ny zana-bohiny;
60. sy Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany) sy Raba; tanàna roa sy ny zana-bohiny.
61. Tany an-efitra dia Bet-araba sy Midina sy Sekaka
62. sy Nibsana sy ilay Tanànantsira ary En-jedy: tanàna enina sy ny zana-bohiny.
63. Ary ny amin'ny Jebosita, mponina any Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak'i Joda; fa miara-monina amin'ny taranak'i Joda any Jerosalema mandraka androany izy ireny.

  Joshua (15/24)