← Joshua (14/24) → |
1. | Ary izao no nolovan'ny Zanak'Isiraely teo amin'ny tany Kanana, izay nampandovain'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny loholon'ny firenen'i Zanak'Isiraely; |
2. | tamin'ny filokana no nahazoany ny lovany, araka izay efa nandidian i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny firenena sivy sy sasany. |
3. | Fa efa nomen'i Mosesy lova tany an-dafin'i Jordana ny firenena roa sy sasany; fa ny taranak'i Levy tsy mba nomeny lova teo aminy. |
4. | Fa firenena roa ny taranak'i Josefa, dia Manase sy Efraima; ary tsy mba nomeny anjara teo amin'ny tany ny taranak'i Levy, afa-tsy ny tanàna honenany sy ny tany manodidina ny tanànany ho an'ny omby aman'ondriny sy ny fananany. |
5. | Araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely, ka dia nizara ny tany izy. |
6. | Dia nankany amin'i Josoa tany Gilgala ny taranak'i Joda; ary Kaleba, zanak'i Jefone, Kenizita, nanao taminy hoe: Fantatrao ny teny izay nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, ny amiko sy ianao tany Kadesi-barnea. |
7. | Efa-polo taona no andro niainako, fony aho nirahin'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, niala tany Kadesi-barnea hisafo ny tany; dia niverina aho nitondra teny taminy araka izay tao am-poko. |
8. | Kanefa ireo rahalahiko izay niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon'ny olona; fa izaho kosa dia tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah Andriamanitrao. |
9. | Dia nianiana tamin'izany andro izany Mosesy ka nanao hoe: Ny tany izay nodiavin'ny tongotrao dia ho lovanao sy ny taranakao tokoa mandrakizay, satria tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah Andriamanitro ianao. |
10. | Ary ankehitriny indro, efa namelona ahy Jehovah, araka izay nolazainy hatramin'ny dimy amby efa-polo taona lasa izay, dia hatramin'ny nilazan'i Jehovah izany teny izany tamin'i Mosesy no ho mankaty, raha mbola nandehandeha tany an-efitra ny Isiraely; ary ankehitriny, indro, efa dimy amby valo-polo taona aho izao. |
11. | Nefa mbola matanjaka ihany aho izao tahaka ny tamin'ny andro nanirahan'i Mosesy ahy: tahaka ny tanjako tamin'izany ihany no mbola tanjako ankehitriny mba hiady, na hivoaka, na hiditra.Jos 14: |
12. | Ary ankehitriny omeo ahy iry tendrombohitra iry, izay nolazain'i Jehovah tamin'izany andro izany; fa efa renao tamin'izany andro izany fa nitoetra teo ny Anakita, sady nisy tanàna lehibe mimanda; angamba homba ahy Jehovah, dia haharoaka azy aho, araka izay nolazain'i Jehovah. |
13. | Dia nitso-drano azy Josoa ka nanome an'i Hebrona ho lovan'i Kaleba, zanak'i Jefone. |
14. | Izany no nahatongavan'i Hebrona ho lovan'i Kaleba, zanak'i Jefone, Kenizita, mandraka androany satria tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy. |
15. | Ary tanànan'Arba no anaran'i Hebrona taloha; ilay lehilahy vaventy tamin'ny Anakita izany Arba izany. Dia nandry ny tany ka tsy nisy ady intsony. |
← Joshua (14/24) → |