| ← John (4/21) → |
| 1. | Koa amin'izany, rehefa fantatry ny Tompo fa ny Fariseo efa nahare fa Jesosy mahazo mpianatra maro sy manao batisa be noho Jaona |
| 2. | (kanefa tsy Jesosy no nanao batisa, fa ny mpianany), |
| 3. | dia niala tany Jodia Izy ka nankany Galilia indray. |
| 4. | Ary tsy maintsy mamaky an'i Samaria Izy. |
| 5. | Dia tonga tao an-tanàna anankiray any Samaria Izy, izay atao hoe Sykara, akaikin'ny tany izay nomen'i Jakoba ho an'i Josefa zanany. |
| 6. | Ary teo ilay fantsakan Izy, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina. |
| 7. | Ary nisy vehivavy Samaritana anankiray avy hantsaka rano dia hoy Jesosy taminy: Omeo Aho hosotroiko. |
| 8. | (Fa ny mpianany efa lasa nankany an-tanàna hividy hanina) |
| 9. | Fa hoy ravehivavy Samaritana taminy: Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa ny Jiosy tsy manan-draharaha amin'ny Samaritana.) |
| 10. | Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao ny fanomezan'Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona. |
| 11. | Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, tsy manana fanovozana Hianao, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany? |
| 12. | Hianao va lehibe noho Jakoba razantsika izay nanome anay ity fantsakana ity, sady izy sy ny zanany mbamin'ny bibiny no nisotro teto? |
| 13. | Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray; |
| 14. | fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay. |
| 15. | Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony. |
| 16. | Hoy Jesosy taminy: Andeha ary, antsoy ivadinao, ka mankanesa atỳ . |
| 17. | Ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy manam-bady aho. Hoy Jesosy taminy: Marina ihany izay nolazainao hoe: Tsy manam-bady aho; |
| 18. | fa efa nanam-bady indimy ianao, sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina izany voalazanao izany. |
| 19. | Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao. |
| 20. | Ny razantsika nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana. |
| 21. | Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray. |
| 22. | Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena. |
| 23. | Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. |
| 24. | Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. |
| 25. | Hoy ravehivavy taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra. |
| 26. | Hoy Jesosy taminy: Izaho Izay miresaka aminao no Izy. |
| 27. | Ary tamin'izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nanao hoe: Inona no tadiavinao? na: Nahoana no miresaka aminy Hianao? |
| 28. | Dia nandao ny sininy ravehivavy ary nankany an-tanàna ka nanao tamin'ny olona hoe: |
| 29. | Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; Izao angaha no Kristy? |
| 30. | Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona ka nankeo amin'i Jesosy. |
| 31. | Ary raha tsy mbola tonga izy ireny, ny mpianany dia nangataka taminy ka nanao hoe: Hano, Raby ô. |
| 32. | Fa hoy Jesosy taminy: Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo. |
| 33. | Dia niresaka ny mpianatra ka nanao hoe: Nisy olona nitondra zavatra hohaniny va re? |
| 34. | Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon'izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany. |
| 35. | Moa ianareo tsy manao hoe va: Efa-bolana no sisa, dia tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy. |
| 36. | Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin'ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja. |
| 37. | Ary amin'izany dia marina ilay teny hoe: Ny iray mamafy, ary ny iray kosa mijinja, |
| 38. | Izaho naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo; olon-kafa no nisasatra, fa ianareo kosa no niditra teo amin'izay nisasarany. |
| 39. | Ary maro ny Samaritana avy tao amin'izany tanàna izany no nino an'i Jesosy noho ny filazan-dravehivavy, izay nanambara hoe: Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko. |
| 40. | Ary rehefa nanatona Azy ny Samaritana, dia nangataka Azy hitoetra tao aminy; ka dia nitoetra tao indroa andro Izy. |
| 41. | Ary maro koa no nino noho ny teniny |
| 42. | ka nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao. |
| 43. | Ary rehefa afaka ny indroa andro, dia niala tao Jesosy ka nankany Galilia. |
| 44. | Fa ny tenan'i Jesosy no efa nanambara fa tsy misy mpaminany manan-daza eo amin'ny taniny. |
| 45. | Koa rehefa tonga tany Galilia Izy, dia nandray Azy ny Galiliana, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin'ny andro firavoravoana; fa izy ireo koa mba niakatra tamin'ny andro firavoravoana. |
| 46. | Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin'ilay nampodiany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy. |
| 47. | Ary rehefa reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka nangataka Azy mba hidina sy hahasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy. |
| 48. | Dia hoy Jesosy taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy. |
| 49. | Hoy ilay tandapa taminy: Tompoko, midina re, dieny tsy mbola maty ny zanako. |
| 50. | Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain'i Jesosy taminy, ka dia lasa nody. |
| 51. | Ary nony nidina izy, dia nitsena azy ny mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany. |
| 52. | Ary izy nanontany azy ny ora izay nanaretany. Dia hoy ireo taminy: Omaly tamin'ny ora fahafito no nialan'ny tazo taminy. |
| 53. | Koa fantatry ny rainy fa tamin'izay indrindra no ora nanaovan'i Jesosy taminy hoe: Velona ny zanakao. Dia nino izy mbamin'ny ankohonany rehetra. |
| 54. | Izany no famantarana faharoa nataon'i Jesosy, fony Izy tonga tany Galilia avy tany Jodia. |
| ← John (4/21) → |