| ← John (20/21) → |
| 1. | Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro dia nandeha maraina koa mbola maizimaizina hankany amin'ny fasana Maria Magdalena ka nahita ny vato voaisotra tamin'ny fasana. |
| 2. | Dia nihazakazaka nankany amin'i Simona Petera sy ilay mpianatra tian'i Jesosy izy ka nanao taminy hoe: Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy. |
| 3. | Dia nandeha Petera sy ilay mpianatra anankiray ka nankany amin'ny fasana. |
| 4. | Ary niara-nihazakazaka izy roa lahy; ary ilay mpianatra anankiray nihazakazaka nihoatra an'i Petera ka tonga taloha tao amin'ny fasana. |
| 5. | Ary nony niondrika nitsirika izy, dia nahita ny lambam-paty nipetraka teo, nefa tsy niditra tao izy. |
| 6. | Ary avy koa Simona Petera nanaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nijery ny lambam-paty nipetraka teo, |
| 7. | ary ny mosara izay nafehy ny lohany tsy mba nipetraka teo amin'ny lambam-paty, fa voavalona mitokana. |
| 8. | Ary tamin'izay dia niditra koa ny mpianatra anankiray izay tonga taloha teo amin'ny fasana, ary nahita ka nino. |
| 9. | Fa tsy mbola fantany ny Soratra Masina fa tsy maintsy hitsangana amin'ny maty Jesosy. |
| 10. | Dia lasa indray ny mpianatra nody tany aminy. |
| 11. | Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana |
| 12. | ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin'ilay nandrian'ny fatin'i Jesosy, ary ny anankiray teo an-tongotra. |
| 13. | Ary hoy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Dia hoy izy taminy: Satria nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy. |
| 14. | Rehefa nilaza izany izy, dia nitodika ka nahita an'i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesosy. |
| 15. | Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy, ka hoy izy taminy: Tompoko, raha Hianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy. |
| 16. | Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny Hebreo hoe: Rabôny! izany hoe: Mpampianatra ô. |
| 17. | Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin'Andriamanitro sy Andriamanitrareo. |
| 18. | Dia tonga Maria Magdalena ka nilaza tamin'ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho, sady izany teny izany no nolazainy taminy. |
| 19. | Ary rehefa harivan'ilay andro voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran'izay niangonan'ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo. |
| 20. | Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo. |
| 21. | Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa. |
| 22. | Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masina; |
| 23. | na helok'iza na helok'iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an'iza na an'iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany. |
| 24. | Fa Tomasy, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba teo aminy raha tonga Jesosy. |
| 25. | Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin'ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin'ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin'ny lanivoany koa ny tanako, dia tsy mba hino aho. |
| 26. | Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo. |
| 27. | Ary hoy Izy tamin'i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan'tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin'ny lanivoako; ary aza ho isan'izay tsy mino, fa minoa. |
| 28. | Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! |
| 29. | Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino. |
| 30. | Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon'i Jesosy teo imason'ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin'ity boky ity; |
| 31. | fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino ianareo. |
| ← John (20/21) → |