| ← Job (6/42) → | 
| 1. | Dia namaly Joba ka nanao hoe: | 
| 2. | Enga anie ka holanjaina tokoa ny fahasosorako, ka hampifandaniaina amin'ny mizana izy sy ny fahoriako! | 
| 3. | Fa ankehitriny mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako, koa dia nirediredy aho. | 
| 4. | Fa ny zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy. | 
| 5. | Maneno va ny boriki-dia, raha eo amin'ny vilona? Na mimàmà va ny omby, raha eo amin'ny fihinany? | 
| 6. | Azo hanina va ny matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin'atody? | 
| 7. | Ny zavatra izay nolaviko tsy hotendrena, dia ireny no tsy maintsy haniko, na dia maharikoriko ahy aza. | 
| 8. | Enga anie ka ho azoko izay angatahiko, ary homen'Andriamanitra ahy anie izay iriko! | 
| 9. | Ka ho sitrak'Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy! Eny, halefany anie ny tànany ka hahamaito ny aiko, | 
| 10. | Dia hahita fiononana amin'izany aho ka hiravoravo na dia amin'ny fangirifiriana tsy mifaditrovana aza, satria tsy nandà ny tenin'ny Iray Masina aho. | 
| 11. | Inona moa ny heriko, no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa ny farako, no hanindry fo aho? | 
| 12. | Herim-bato va ny heriko? Na varahina va ny nofoko? | 
| 13. | Tsy efa foana va ny hery ho entiko mamonjy tena, ary tsy efa nakifika hiala amiko va ny faharetana? | 
| 14. | Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran'ny sakaizany. Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy. | 
| 15. | Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra, | 
| 16. | Izay mainty azon'ny ranomandry Sady iafenan'ny oram-panala; | 
| 17. | Fa raha taninin'ny hainandro izy, dia levona; raha maina ny andro, dia ritra eo amin'ny fitoerany izy; | 
| 18. | Mivilivily no fandehany tankina izy ka levona. | 
| 19. | Ny antokon'i Tema mitazana, ny andian'i Sheba manantena azy; | 
| 20. | Very hevitra ireo, satria samy nanampo; tonga teo izy, kanjo nangaihay. | 
| 21. | Fa ankehitriny efa tsinontsinona ianareo; Nahita ny fahoriana ianareo ka raiki-tahotra. | 
| 22. | Moa aho va efa nanao hoe: Omeo aho, ka mahafoiza zavatra ho ahy amin'ny fanananareo, | 
| 23. | Ary vonjeo amin'ny tanan'ny fahavalo aho, ka afaho amin'ny tanan'ny mpitohatoha? | 
| 24. | Mampianara ahy, dia hangina aho; Ary ampahafantaro izay nahadisoako aho. | 
| 25. | Endrey ny herin'ny teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo? | 
| 26. | Ny amin'ny teniko ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho amin'ny rivotra ny tenin'ny olona mamoy fo. | 
| 27. | Eny, fa na dia ny kamboty aza dia ataonareo loka, ary ny sakaizanareo dia ataonareo varotra. | 
| 28. | Fa ankehitriny, masìna ianareo, mba atreho kely aho, dia ho hitanareo fa tsy handainga tsy akory aho. | 
| 29. | Masìna ianareo, diniho indray aho, ary aoka tsy hisy fitsarana tsy marina; eny, diniho indray aho, fa mbola ao ihany ny fahamarinako. | 
| 30. | Moa misy heloka va eo amin'ny lelako? | 
| ← Job (6/42) → |