| ← Job (35/42) → |
| 1. | Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe: |
| 2. | Ataonao va fa marina ny nanaovanao hoe: Ny fahamarinako mihoatra noho ny an'Andriamanitra? |
| 3. | Fa hoy ianao: Mahasoa ahy manao ahoana moa? Ary inona no soa azoko mihoatra noho ny avy amin'ny fahotako? |
| 4. | Izaho no hiteny hamaly anao Mbamin'ny namanao. |
| 5. | Jereo ary ny lanitra ka izahao; Ary tsinjovy iry habakabaka, avo loatra iny ka tsy takatrao. |
| 6. | Raha manota ianao, moa mahefa inona aminy? Ary raha maro ny fahotanao, mampaninona Azy moa izany? |
| 7. | Raha marina ianao, dia hahazoany inona moa izany? Na inona no horaisiny avy amin'ny tananao? |
| 8. | Mihatra amin'ny olona tahaka anao ihany ny ratsy ataonao; Ary mihatra amin'ny olombelona ihany ny fahamarinanao. |
| 9. | Noho ny habiazan'ny fampahoriana no itarainan'ny olona; Eny, minananana izy noho ny sandrin'ny mahery, |
| 10. | Nefa tsy misy manao hoe: Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, Izay mahatonga fiderana amin'ny alina, |
| 11. | Izay manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an'ny biby ambonin'ny tany, dia Izay manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an'ny voro-manidina? |
| 12. | Eny, mitaraina mafy ireo (fa tsy mamaly Izy) noho ny fireharehan'ny ratsy fanahy. |
| 13. | Ny fitarainam-poana dia tsy mba henoin'Andriamanitra, ary ny Tsitoha tsy mandinika izany. |
| 14. | Na dia lazainao fa tsy mahita azy aza ianao, efa mby eo anatrehany ny ady, koa tsy maintsy miandry Azy ianao. |
| 15. | Koa raha saingy tsy mihatra ny fahatezerany, moa dia tsy fantany tsara koa va ny fihaikana? |
| 16. | Mba miloa-bava foana anefa Joba ary manao teny maro tsy amim-pahalalana. |
| ← Job (35/42) → |