| ← Job (31/42) → |
| 1. | Efa nampanekeko ny masoko; Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy? |
| 2. | Fa raha izany, dia inona no anjara avy amin'Andriamanitra any ambony. Sy lova avy amin'ny Tsitoha any amin'ny avo? |
| 3. | Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy fahoriana va no mahazo ny mpanao ratsy? |
| 4. | Moa tsy Andriamanitra va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra? |
| 5. | Raha tàhiny nandeha tamin'ny fitaka aho na niezaka tamin'ny fahafetsena. |
| 6. | (Enga anie ka holanjain'Andriamanitra eo amin'ny mizanan'ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny); |
| 7. | Raha tàhiny nivily niala tamin'ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin'ny tanako: |
| 8. | Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana, ary aoka ho fongotra izay amboleko. |
| 9. | Raha tahìny adala tamin'ny vadin'olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran'ny namako aho, |
| 10. | Dia aoka kosa ny vadiko halain'ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy. |
| 11. | Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain'ny mpitsara; |
| 12. | Fa afo mandevona hatrany amin'ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra. |
| 13. | Raha tàhiny aho nandà ny rariny izay an'ny ankizilahiko na ny ankizivaviko, raha nifamaly tamiko izy, |
| 14. | Dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy? |
| 15. | Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka? |
| 16. | Raha tàhiny aho nandà Izay nirin'ny malahelo ka nahapahina ny mason'ny mpitondratena, |
| 17. | Na nihinana ny sombin-kaniko irery, ka tsy mba nihinanan'ny kamboty |
| 18. | (Fa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora aho, dia notezaina teo amiko tahaka ny zanaka ny kamboty, Ary nitondra ny mpitondratena hatrany an-kibon-dreniko aho); |
| 19. | Raha tàhiny aho nahita olona efa ho faty noho ny tsi-fananan-damba. Na malahelo tsy manan-kitafy, |
| 20. | Koa tsy nankasitraka ahy ny tenany, ary tsy nanafàna azy ny volon'ondriko; |
| 21. | Raha tahìny aho naninjitra ny tanako hampahory ny kamboty, saingy hitako fa nisy niandany tamiko teo am-bavahady: |
| 22. | Dia aoka ny foto-tsandriko hitsoaka hiala amin'ny rangomainako, eny, aoka ny sandriko ho latsaka hiala amin'ny taolam-panaviko. |
| 23. | Fa mampahatahotra ahy ny loza avy amin'Andriamanitra, ka tsy mahavita na inona na inona aho noho ny fahalehibiazany. |
| 24. | Raha tàhiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô; |
| 25. | Raha tàhiny ho nifaly noho ny haben'ny fananako sy noho ny nahazoan'ny tanako harena betsaka; |
| 26. | Raha tàhiny aho nijery ny masoandro, raha namirapiratra izy, na ny volana, raha nandeha tamin'ny fangarangarany izy, |
| 27. | Ka voafitaka mangingina ny foko, ary nanoroka ny tanako ny vavako |
| 28. | (Dia heloka hanamelohan'ny mpitsara koa izany; Fa ho nihatsaravelatsihy tamin'Andriamanitra Izay any ambony aho); |
| 29. | Raha tàhiny aho nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy, na nibitabitaka, raha nozoim-pahoriana izy |
| 30. | (Tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako hangataka ozona hanjo azy); |
| 31. | Raha tàhiny ny tao an-daiko tsy nanao hoe: Iza moa no tsy voky tamin'ny henany? |
| 32. | Ny vahiny aza tsy nandry teny alatrano; Fa novohako ny varavarako manatrika ny lalana; |
| 33. | Raha tàhiny aho mba nanarona ny fahadisoako tahaka an'i Adama ka nanafina ny heloko tato an-tratrako, |
| 34. | Satria nampihorohoro ny foko ny vahoaka maro be, ary natahotra aho, fandrao hamavoin'ny fokon'olona, ka dia namitsaka, fa tsy sahy nivoaka ny varavarana |
| 35. | Enga anie ka hisy hihaino ahy! Indro ny soniako! Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha! Indro ny taratasy voasoratr'ilay manana ady amiko! |
| 36. | Hataoko eny an-tsoroko tokoa izany ary hafehiko amiko ho satro-boninahitra. |
| 37. | Ny isan'ny diako dia hambarako aminy, ary tahaka ny fanakon'ny zanak'andriana no hanatonako Azy. |
| 38. | Raha tàhiny mitaraina hiampanga ahy ny taniko, ka miara-mitomany ny vavasako; |
| 39. | Raha tàhiny aho nihinana ny vokatra, nefa tsy nandoa ny vidiny.Na nanao izay hahafaty ny ain'ny tompony: |
| 40. | Dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny vary tritika. Ary ny ahi-dratsy hisolo ny vary hordea. Tapitra ny tenin'i Joba. |
| ← Job (31/42) → |