| ← Job (22/42) → |
| 1. | Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe: |
| 2. | Mahasoa an'Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany ihany ny olon-kendry. |
| 3. | Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina ianao, sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao? |
| 4. | Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany anao, sy ifanatrehany aminao amin'ny fitsarana? |
| 5. | Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao? |
| 6. | Fa efa naka tsatòka tsy ahoan-tsy ahoana tamin'ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon'ny mahantra. |
| 7. | Tsy nanome rano hosotroin'ny mangetaheta ianao sady tsy nahafoy hanina ho an'ny noana. |
| 8. | Fa ny olona sandriana ihany no nanana ny tany; Ary ny manan-kaja ihany no nitoetra teo. |
| 9. | Efa nampialainao maina ny mpitondratena. Ary tapahina ny sandrin'ny kamboty. |
| 10. | Koa noho izany dia misy fandrika manodidina anao, ary ny fahatahorana dia mampihorohoro anao tampoka; |
| 11. | Moa tsy ianao va ny maizina Sy ny rano mandriaka mandifotra anao? |
| 12. | Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon'ny kintana, endrey ny hahavony! |
| 13. | Nefa hoy ianao: Ataon'Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy? |
| 14. | Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin'ny lanitra Izy. |
| 15. | Moa hizotra amin'ny lalana izay nalehan'ny olona fahagola va ianao? Dia ilay nalehan'ny olona ratsy fanahy. |
| 16. | Izay nesorina alohan'ny androny, ka nindaosin'ny riaka ny fanorenany, |
| 17. | Dia ireo izay manao tamin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Ary inona no azon'ny Tsitoha atao ho anay? |
| 18. | Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy! |
| 19. | Ny marina mahita ka mifaly, Ary ny tsy manan-tsiny mihomehy ireny hoe: |
| 20. | Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, ary ny hareny betsaka efa levon'ny afo. |
| 21. | Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao. |
| 22. | Masìna ianao, mandraisa fampianarana avy amin'ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny. |
| 23. | Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka. |
| 24. | Ario eny amin'ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin'ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira; |
| 25. | Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao. |
| 26. | Fa amin'izany dia hiravoravo amin'ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin'Andriamanitra. |
| 27. | Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao. |
| 28. | Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin'ny lalanao ny mazava. |
| 29. | Raha misy mietry, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny. |
| 30. | Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan'ny tananao no hamonjena azy. |
| ← Job (22/42) → |