| ← Job (15/42) → |
| 1. | Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe: |
| 2. | Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry, ka hameno ny kibony amin'ny rivotra avy any atsinanana va, |
| 3. | Ary hamaly amin'ny teny tsy mahasoa sy ny teny tsy mahatsara? |
| 4. | Eny, foananao ny fahatahorana an'Andriamanitra, ary tampenanao ny fivavahana eo anatrehany; |
| 5. | Fa ny helokao no manesika ny vavanao, ary mianatra ny lelan'ny fetsy ianao. |
| 6. | Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy izaho; Ary ny molotrao ihany no mamely anao. |
| 7. | Hianao va no voalohany izay nateraka ho olombelona? Na naloaky ny kibo talohan'ny tendrombohitra va ianao? |
| 8. | Isan'ny mpihevitra teo amin'Andriamanitra va ianao, ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena? |
| 9. | Inona no fantatrao, ka tsy mba fantatray koa, na saina azonao, ka tsy ato aminay koa? |
| 10. | Ny anti-panahy sy ny fotsy volo dia misy ato aminay, eny, olona ela niainana noho ny rainao aza. |
| 11. | Ataonao ho tsinontsinona va ny fampiononana avy amin'Andriamanitra sy ny teny natao aminao amin'ny fahalemem-panahy? |
| 12. | Nahoana no dia entin'ny fonao ianao? Ary nahoana no mipipy foana ny masonao, |
| 13. | Ka miefonefona amin'Andriamanitra ianao, sady miteniteny foana ny vavanao? |
| 14. | Inona ny zanak'olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina? |
| 15. | Indro, ireo anjeliny aza tsy mahatoky Azy, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony; |
| 16. | Koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toa rano! |
| 17. | Hanambara aminao aho, ka mihainoa ahy fa izay efa hitako no holazaiko, |
| 18. | Dia zavatra notorin'ny olon-kendry, fa tsy nafeniny, dia izay azony avy tamin'ny razany; |
| 19. | Ireny ihany no nomena ny tany, ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy. |
| 20. | Ny ratsy fanahy mijalijaly amin'ny androny rehetra, dia amin'ny taona rehetra voatendry ho an'ny lozabe. |
| 21. | Feo mampitahotra no ren'ny sofiny; Ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny mpandroba. |
| 22. | Tsy manantena ho afaka amin'ny maizina izy; Andrasan'ny sabatra izy. |
| 23. | Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina. |
| 24. | Fahoriana sy fahaporitana no mampitahotra azy; Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin'ny ady, |
| 25. | Satria naninjitra ny tanany hanohitra an'Andriamanitra izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha. |
| 26. | Mimaona amin'ny fahamafian-katoka hamely Azy izy, dia amin'ny foitran'ampingany matevina, |
| 27. | Satria efa matavitavy tarehy izy, ary mivalon-kotraka ny valahany; |
| 28. | Ary monina ao an-tanana rava izy, dia ao an-trano tokony tsy hitoeran'olona, izay efa voatendry ho korontam-bato. |
| 29. | Tsy hanan-karena izy, sady tsy haharitra ny heriny, ka tsy ho vokatra ambonin'ny tany ny fananany. |
| 30. | Tsy ho afaka amin'ny maizina izy; ny solofony hikainkona azon'ny lelafo; ho levon'ny fofonain'Andriamanitra izy. |
| 31. | Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy; fa zava-poana no ho valiny homena azy. |
| 32. | Raha mbola tsy tonga aza ny androny, dia manjo azy izany, ary tsy ho maitso ny sampany. |
| 33. | Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy ary ho tahaka ny hazo oliva mampiraraka ny voniny. |
| 34. | Fa tsy ho vanona ny ankohonan'ny mpihatsaravelatsihy, ary ho lanin'ny afo ny tranon'ny mpitoroka. |
| 35. | Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka. |
| ← Job (15/42) → |