| ← Job (14/42) → |
| 1. | Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana. |
| 2. | Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra. |
| 3. | kanefa amin'izay toy izany foana no ampihiratanao ny masonao? ka dia izay izaho avy no entinao hifandahatra aminao amin'ny fitsarana! |
| 4. | Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza. |
| 5. | Raha voafetra ny androny, ary voatendrinao ny isan'ny volana iainany, ary asianao fefy tsy azony ihoarana, |
| 6. | Dia mihodina tsy hanatrika azy Hianao, mba hitsaharany, ka hifaliany amin'ny androny toy ny mpikarama. |
| 7. | Fa azo antenaina ny hazo, satria na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy hisy ny solofony; |
| 8. | Na dia efa tonga antitra ao amin'ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin'ny vovoka ny fotony, |
| 9. | Raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray. Ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena. |
| 10. | Fa ny olona kosa maty ka miampatra; Eny, miala aina ny olona, ary aiza izy? |
| 11. | Ny rano miala eo amin'ny kamory, ary ny ony mihena ka ritra, |
| 12. | Ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hitsangana intsony; Eny, mandra-paha-tsy hisian'ny lanitra dia tsy hahatsiaro izy na hofohazina amin'ny torimasony. |
| 13. | Enga anie ka hanafina ahy any amin'ny fiainan-tsi-hita Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr'andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy |
| 14. | Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan'ny fahafahako. |
| 15. | Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan'ny tananao Hianao. |
| 16. | Fa ankehitriny manisa ny diako Hianao; Tsy mitsikilo ny fahotako va Hianao? |
| 17. | Efa voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako; Ary voazaitranao ny heloko. |
| 18. | Kanefa na dia ny tendrombohitra aza, raha mianjera, dia mihalevona; Ary ny vatolampy dia afindra hiala amin'ny fitoerany; |
| 19. | Lanin'ny rano ny vato; ary indaosin'ny riaka ny vovo-tany: Toy izany no fanimbanao ny fanantenan'ny zanak'olombelona. |
| 20. | Mandresy azy ho mandrakizay Hianao, ka lasa izy; Manova ny tarehiny Hianao ka mampandeha azy. |
| 21. | Omem-boninahitra ny zanany nefa tsy fantany; Ary mietry ireo, nefa tsy hitany. |
| 22. | Ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampanaintaina azy, ary ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampalahelo ny fanahiny. |
| ← Job (14/42) → |