| ← Job (11/42) → |
| 1. | Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe: |
| 2. | Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava, dia ho marina va? |
| 3. | Ny bedibedinao va no hampangina ny olona? Ka dia haniratsira ianao, ka tsy hisy handresy lahatra, |
| 4. | Ary dia hiteny hoe: Madio ny teny nalahatro, ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho. |
| 5. | Enga anie ka hiteny Andriamanitra ka hiloa-bava hamaly anao! |
| 6. | Dia hasehony aminao ny fahendrena miafina, fa tsy hita lany izany, ka dia ho fantatrao fa tsy dia novalian'Andriamanitra avokoa ny helokao. |
| 7. | Takatry ny sainao va ny fomban'Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha |
| 8. | Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita! ka inona no fantatrao? |
| 9. | Lava noho ny tany ny ohany ary lehibe noho ny ranomasina. |
| 10. | Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy? |
| 11. | Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy; Ary hitany ny heloka, na dia tsy mandinika akory aza Izy. |
| 12. | Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona. |
| 13. | Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao, |
| 14. | Ka misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao; |
| 15. | Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy hatahotra; |
| 16. | Fa ho hadinonao ny fahorianao: Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy. |
| 17. | Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao; na dia sendra manjombona aza, dia ho tonga tahaka ny maraina. |
| 18. | Hatoky ianao, satria misy fanantenana; eny, hijery manodidina ianao ka handry tsy amin'ahiahy. |
| 19. | Dia ho tafandry ianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary maro no hila sitraka aminao. |
| 20. | Fa ny mason'ny ratsy fanahy kosa ho pahina, ka ho very avokoa ny fiarovana azy, ary ny fialàna aina ihany no hany sisa azony antenaina. |
| ← Job (11/42) → |