| ← Job (10/42) → | 
| 1. | Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian'ny fanahiko | 
| 2. | Hanao amin'Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton'ny iadianao amiko aho. | 
| 3. | Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy? | 
| 4. | Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin'ny zanak'olombelona? | 
| 5. | Tahaka ny andron'ny zanak'olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan'ny olombelona ny taonanao, | 
| 6. | No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako, | 
| 7. | Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin'ny tananao? | 
| 8. | Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao. | 
| 9. | Masina Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin'ny vovoka indray Hianao! | 
| 10. | Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry? | 
| 11. | Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin'ny taolana sy ny ozatra. | 
| 12. | Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko. | 
| 13. | Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao: | 
| 14. | Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin'ny heloko. | 
| 15. | Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho. | 
| 16. | Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy. | 
| 17. | Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy. | 
| 18. | Ka nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory. | 
| 19. | Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana. | 
| 20. | Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely, | 
| 21. | Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin'ny tanin'ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana, | 
| 22. | Ho any amin'ny tany maizim-pito, dia ny an'ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any. | 
| ← Job (10/42) → |