Isaiah (64/66)  

1. Dia tahaka ny fandevon'ny afony tapa-kazo maina sy ny fampangotraky ny afo ny rano mba hampahafantatra ny fahavalonao ny anaranao ka hangovitra eo anoloanao ny jentilisa.
2. Raha nanao zava-mahatahotra izay tsy nantenainay Hianao, dia nidina, ka nihorohoro teo anoloanao ny tendrombohitra.
3. Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola ren'ny olona, na nohenoiny, Na hitan'ny masony, Izay Andriamanitra miasa ho an'ny miandry Azy afa-tsy Hianao.
4. Mitsena izahay; Hatramin'ny ela dia izany no toetray, ka dia hovonjena va?
5. Fa samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay rehetra; Malazo tahaka ny ravina izahay rehetra, ary ny helokay mipaoka anay tahaka ny rivotra,
6. Tsy misy miantso ny anaranao, na mifoha hifikitra aminao; fa efa nanafina ny tavanao taminay Hianao ka nandevona anay noho ny helokay.
7. Fa ankehitriny, Jehovah ô, rainay Hianao; izahay dia tanimanga, ary Hianao no mpanefy anay, ary asan'ny tananao izahay rehetra.
8. Aza dia tezitra mafy loatra, Jehovah ô. Ary aza dia mahatsiaro heloka mandrakizay; masina Hianao, tsinjovy, fa olonao izahay rehetra.
9. Tonga efitra ireo tanànanao masina, Eny, tany lavavolo Ziona, ary efa lao Jerosalema.
10. Ny tranonay masina sady mendrika, Izay nideran'ny razanay Anao, dia voadotry ny afo, ary rava ny zavatray mahafinaritra rehetra.
11. Ary mbola mahatsindry fo amin'izany zavatra izany ihany va Hianao, Jehovah ô? Hangina va Hianao ka hampahory anay mafy loatra?

  Isaiah (64/66)