Hosea (6/14)  

1. Andeha hiverina ho amin'i Jehovah isika; Fa Izy no namiravira, ary Izy ihany no hahasitrana antsika; Izy no namely, ary Izy no hamehy ny ferintsika.
2. Rehefa afaka indroa andro, dia hovelominy indray isika; Ary amin'ny andro fahatelo, dia hatsangany ho velona eo anatrehany isika
3. Dia aoka hahalala, eny, aoka hiezaka hahalala an'i Jehovah isika; Mahatoky toy ny maraina ny fiposahany, dia ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy, sy toy ny fara orana izay mahavonto ny tany.
4. Inona re no ho azoko atao aminao, ry Efraima? Inona re no ho azoko atao aminao, ry Joda? Fa toy ny rahona maraina ny fitiavanareo sy tahaka ny ando izay levona, raha vao maraina ny andro.
5. Ary noho izany ny mpaminany no nentiko nikapa azy, ny tenin'ny vavako no nentiko namono azy; Ary ny fitsarana anao dia hiposaka toy ny mazava.
6. Fa famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà, ary fahalalana an'Andriamanitra noho ny fanatitra dorana.
7. Fa ireny dia nivadika ny fanekena tahaka an'i Adama, tao no nivadihany nahafoizany Ahy.
8. Gileada dia tanànan'ny mpanao ratsy sady voaloton'ny rà.
9. Ary toy ny fanotriky ny jiolahy no fikamban'ny mpisorona: Mamono eny an-dalambe mankany Sekema izy, eny, efa nanao fahavetavetana koa izy.
10. Tao amin'ny taranak'Isiraely no nahitako zavatra mahatsiravina: ao ny fijangajangan'i Efraima, voaloto Isiraely.
11. Ny aminao, ry Joda, dia voatendry koa ny andro hijinjana anao, rehefa ampodiko avy amin'ny fahababoana ny oloko.

  Hosea (6/14)