Hosea (1/14)  

1. Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Hosea, zanak'i Bery, tamin'ny andro nanjakan'i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andron'i Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely.
2. Tamin'ny niandohan'ny nitenenan'i Jehovah tamin'i Hosea dia hoy Jehovah taminy: Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin'i Jehovah ny tany.
3. Dia lasa izy naka an'i Gomera, zanakavavin'i Diblaima; ary dia nanan'anaka ravehivavy ka nitera-dahy taminy.
4. Ary hoy Jehovah taminy: Ataovy Jezirela no anarany; fa vetivety dia hovaliako ny taranak'i Jeho noho ny rà nalatsaka tao Jezirela, ary hatsahatro ny fanjakan'ny taranak'Isiraely.
5. Ary amin'izany andro izany dia hotapahiko ao amin'ny tany lemaka Jezirela ny tsipìkan'Isiraely.
6. Ary nanan'anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy. Dia hoy Jehovah taminy: Ataovy Lò-rohama.
7. Fa ny taranak'i Joda no hamindrako fo, ary Izaho Jehovah Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin'ny tsipìka, na amin'ny sabatra, na amin'ny ady, na amin'ny soavaly, na amin'ny mpitaingin-tsoavaly.
8. Ary rehefa notazana Lò-rohama, dia nanan'anaka indray reniny ka nitera-dahy.
9. Dia hoy Jehovah: Ataovy Lò-amy.

      Hosea (1/14)