| ← Hebrews (13/13) |
| 1. | Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy. |
| 2. | Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin'izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany. |
| 3. | Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampahorina, satria mbola eo amin'ny tena koa ianareo. |
| 4. | Aoka hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona dia hohelohin'Andriamanitra. |
| 5. | Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory" (Jos. 1.5). |
| 6. | Ka dia sahy manao hoe isika: "Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no azon'ny olona atao amiko?" (Sal 118. 6). |
| 7. | Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin'Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran'ny fiainany, ka araho ny finoany. |
| 8. | Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. |
| 9. | Aza mety havilin'izay fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin'ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin'ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy. |
| 10. | Isika manana alitara, izay tsy ananan'ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana. |
| 11. | Fa rehefa nentin'ny mpisoronabe niditra ho ao amin'ny fitoerana masina ho fanatitra noho ny ota ny ran'ny biby, dia nodorana teny ivelan'ny toby ny fatiny. |
| 12. | Ary amin'izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan'ny vavahady mba hahamasina ny olona amin'ny ràny. |
| 13. | Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan'ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny. |
| 14. | Fa etỳ isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy. |
| 15. | Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin'ny alalany ho an'Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany. |
| 16. | Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak'Andriamanitra. |
| 17. | Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon'ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin'ny fifaliana, ta tsy amin'ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany. |
| 18. | Mivavaha ho anay; fa matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin'ny zavatra rehetra. |
| 19. | Nefa mainka mangataka anareo hanao izany aho, mba hampodina faingampaingana kokoa ho aminareo. |
| 20. | Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an'i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin'ny maty, mitondra ny ran'ny fanekena mandrakizay, |
| 21. | Izy anie hahatanteraka anareo amin'ny tsara izay ankasitrahana eo imasony amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. |
| 22. | Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, zakao ny teny fananarana; fa efa nanoratra epistily fohifohy ihany ho aminareo aho. |
| 23. | Aoka ho fantatrareo fa efa afaka Timoty rahalahintsika; koa raha tàhiny handeha faingana izy, dia hiaraka aminy hamangy anareo aho. |
| 24. | Manaova veloma amin'izay rehetra mpitondra anareo sy ny olona masina rehetra. Izay an'Italia dia manao veloma anareo. |
| 25. | Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana. Amena. |
| ← Hebrews (13/13) |