| Hebrews (1/13) → | 
| 1. | Rehefa nampitenenin'Andriamanitra tamin'ny razana fahiny ny mpaminany tamin'ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa; | 
| 2. | dia amin'izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao, | 
| 3. | Izy koa no famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin'ny tanana ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo | 
| 4. | ka natao tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny. | 
| 5. | Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany"? (Sal.2.7). Ary koa: "Izaho ho Rainy, Ary Izy ho Zanako"? (2 Sam. 7.14.) | 
| 6. | Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho amin'izao fiainana izao indray, dia hoy Izy: "Ary aoka ny anjelin'Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany" (Sal. 97.7). | 
| 7. | Ary ny anjely dia ilazany hoe: "Izy manao ny anjeliny ho rivotra, Ary ny mpanompony ho lelafo" (Sal.104. 4). | 
| 8. | Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao; | 
| 9. | Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao Mihoatra noho ny namanao" (Sal. 45.6, 7). | 
| 10. | Ary izao koa: "Hianao, Jehovah ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, Ary asan'ny tananao ny lanitra; | 
| 11. | Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Ary izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana, | 
| 12. | Ary toy ny lamba no hamalonanao azy, Dia toy ny fitafiana, ka hovana izy; Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra" (Sal 102.25-27). | 
| 13. | Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Mipetraha eo an-tanako ankavanana, Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao"? (Sal. 110. 1.) | 
| 14. | Tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an'izay handova famonjena? | 
| Hebrews (1/13) → |