← Genesis (48/50) → |
1. | Ary rehefa afaka izany, dia nisy nilaza tamin'i Josefa, hoe: Indro marary ny rainao. Dia nentiny niaraka taminy Manase sy Efraima, zanany mirahalahy. |
2. | Ary nisy nilaza tamin'i Jakoba ka nanao hoe: Indro, Josefa zanakao tamy ho etỳ aminao; dia nanatanja-tena Isiraely ka niarina teo ambonin'ny farafara. |
3. | Ary hoy Jakoba tamin i Josefa: Andriamanitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy any amin'ny tany Kanana ary nitahy ahy ka nanao tamiko hoe: |
4. | Indro, Izaho hahamaro ny taranakao, dia hampitombo anao sy hanao anao ho firenena maro; dia homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity ho lovany mandrakizay. |
5. | Ary ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay efa naterakao tatỳ amin'ny tany Egypta, fony tsy mbola tonga tatỳ aminao eto Egypta aho, dia ho ahy ireo: eny, Efraima sy Mariase dia ho ahy, tahaka an'i Robena sy Simeona. |
6. | Fa ny zanakao izay haterakao aorian'izy mirahalahy dia ho anao kosa, ary ny anarany hatao araka ny an'ny rahalahiny eo amin'ny zara-taniny. |
7. | Ary izaho, raha niala tany Mesopotamia aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin'ny tany Kanana, tany an-dalana, rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata, ary nandevina azy aho teo amoron'ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany). |
8. | Ary rehefa hitan'Isiraely ny zanak'i Josefa, dia hoy izy: Iza moa ireo? |
9. | Ary hoy Josefa tamin-drainy: Zanako ireto, izay nomen'Andriamanitra ahy tatỳ. Ary hoy izy : Masìna ianao, ento eto amiko izy, dia hotsofiko rano. |
10. | Ary efa pahina ny mason'Isiraely noho ny fahanterany, ka tsy nahita izy; dia nentin'i Josefa nanatona azy izy mirahalahy; ary Isiraely nanoroka sy namihina azy. |
11. | Dia hoy Isiraely tamin'i Josefa; Tsy nanampo izay hahita ny tavanao intsony aho; kanjo, indro, Andriamanitra efa nampahita ahy ny zanakao koa aza. |
12. | Ary Josefa nampiala azy mirahalahy teo anelanelan'ny lohalik'Isiraely, dia niankohoka tamin'ny tany izy. |
13. | Dia notantanan'i Josefa izy mirahalahy: Efraima tamin'ny ankavanany ho eo amin'ny ankavian'Isiraely, ary Manase tamin'ny ankaviany ho eo amin'ny ankavanan'Isiraely, ka nentiny nanatona azy. |
14. | Dia nahinjitr'Isiraely ny tanany ankavanana ka napetrany tamin'ny lohan'i Efraima, nefa izy no zandriny, fa ny tànany ankavia kosa teo amin'ny lohan'i Manase; fa niniany natao toy izany ny tànany, nefa Manase no lahimatoa. |
15. | Dia nitso-drano an'i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan'i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany, |
16. | ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin'ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran'i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo amin'ny tany anie izy. |
17. | Ary rehefa hitan'i Josefa fa ny rainy nametraka ny tànany ankavanana teo amin'ny lohan'i Efraima, dia tsy sitrany izany; ka noraisiny ny tanan'ny rainy, mba hampiala azy amin'ny lohan'i Efraima ho amin'ny lohan'i Manase, |
18. | ka hoy Josefa tamin'ny rainy: Tsy izao no izy, ry ikaky; fa ity no lahimatoa, ka apetraho eo amin'ny lohany ny tananao ankavanana. |
19. | Fa tsy nety ny rainy, fa nanao hoe: Fantatro ihany, anaka, fantatro ihany, izy koa ho tonga firenena, ary izy koa ho lehibe; kanefa ny zandriny ho lehibe noho izy, ary ny taranany ho firenena maro. |
20. | Dia nitso-drano azy tamin'izany andro izany izy ka nanao hoe: Hianao no hitsofan'ny Isiraely rano hoe: Hataon'Andriamanitra tahaka an'i Efraima sy tahaka an'i Manase anie ianao. Ary Efraima no nataony alohan'i Manase. |
21. | Ary hoy Isiraely tamin'i Josefa: Indro, ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo indray ho any amin'ny tanindrazanareo. |
22. | Ary izaho manome anao zara-tany iray ho tombon-dahinao amin'ny rahalahinao, izay nalaiko tamin'ny sabatro sy ny tsipikako teo an-tànan'ny Amorita. |
← Genesis (48/50) → |