| ← Genesis (20/50) → |
| 1. | Dia nifindra niala teo Abrahama nankany amin'ny tany atsimo ka nitoetra teo anelanelan'i Kadesy sy Sora ary nivahiny tao Gerara izy. |
| 2. | Ary hoy ny filazan'i Abrahama an'i Saraha vadiny: Anabaviko izy; dia naniraka Abimeleka, mpanjakan'i Gerara, nampaka an'i Saraha. |
| 3. | Fa Andriamanitra nankeo amin'i Abimeleka, tamin'ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: Indro, fa ho faty ianao noho ny vehivavy izay nalainao, fa vadin'olona izy. |
| 4. | Fa Abimeleka anefa tsy mbola nanakaiky azy, ka hoy izy: Tompo รด, hovonoinao koa va izay firenena marina? |
| 5. | Tsy ralehilahy va no nilaza tamiko hoe: Anabaviko izy? ary ravahivavy koa nanao hoe: Anadahiko izy; koa tamin'ny fahatsoran'ny foko sy ny fahadiovan'ny tanako no nanaovako izany. |
| 6. | Ary hoy Andriamanitra taminy tamin'ny nofy: Eny ary, fantatro ihany fa tamin'ny fahatsoran'ny fonao no nanaovanao izany; ary Izaho kosa dia niaro anao mba tsy hanota amiko; koa izany no tsy namelako anao hanendry azy. |
| 7. | Ary ankehitriny avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy ka hifona ho anao, dia ho velona ianao; fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa ianao, dia ianao mbamin'izay rehetra mety ho anao. |
| 8. | Dia nifoha maraina koa Abimeleka ka niantso ny mpanompony rehetra ary nanambara izany rehetra izany teo anatrehany; ka dia raiki-tahotra indrindra ny olona. |
| 9. | Ary Abimeleka dia nampaka an'i Abrahama ka nanao taminy hoe: Inona izao nataonao taminay izao? ary inona izao ratsy nataoko taminao izao no dia nahatonga heloka lehibe tamiko sy tamin'ny fanjakako ianao? zavatra izay tsy tokony hatao no nataonao tamiko. |
| 10. | Ary hoy koa Abimeleka tamin'i Abrahama: Inona no hitanao, no nanao izany zavatra izany ianao? |
| 11. | Dia hoy Abrahama: Satria hoy izaho: Tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra tokoa amin'ity tany ity, ka hovonoin'ny olona aho noho ny amin'ny vadiko. |
| 12. | Nefa anabaviko ihany tokoa izy, satria zanakavavin'ny raiko, fa tsy mba zanakavavin'ny reniko; ka dia nanambady azy aho. |
| 13. | Ary raha nampifindrafindra ahy hiala tamin'ny tranon'ny raiko Andriamanitra, dia hoy izaho tamin'ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin'izay tany rehetra halehantsika dia lazao aho hoe: Anadahiko izy. |
| 14. | Ary Abimeleka naka ondry sy omby sy ankizilahy ary ankizivavy, ka nomeny an'i Abrahama ireny; ary Saraha vadiny dia naveriny teo aminy. |
| 15. | Ary hoy Abimeleka: Indro, eo anoloanao ny taniko; mitoera eo amin'izay tianao. |
| 16. | Ary hoy kosa izy tamin'i Saraha: Indro, efa nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao; indro, ho fanampena-maso aminao izany, dia amin'izay rehetra momba anao: ka dia efa nahazo ny rariny ianao ny amin'izany rehetra izany. |
| 17. | Ary Abrahama dia nifona tamin'Andriamanitra; ary Andriamanitra nahasitrana an'i Abimeleka sy ny vadiny mbamin'ny mpanompovaviny; dia niteraka izy ireo. |
| 18. | Fa Jehovah efa nahamomba tokoa ny vehivavy rehetra tamin'ny ankohonan'i Abimeleka noho ny amin'i Saraha, vadin'i Abrahama. |
| ← Genesis (20/50) → |