| ← Genesis (16/50) → | 
| 1. | Ary Saray, vadin'i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no anarany. | 
| 2. | Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; masìna ianao, mivadia amin'ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken'i Abrama ny tenin'i Saray. | 
| 3. | Ary rehefa nonina folo taona teo amin'ny tany Kanana Abrama, dia nalain'i Saray, vadin'i Abrama, Hagara Egyptiana mpanompovaviny, ka nomeny an'i Abrama vadiny mba hovadiny. | 
| 4. | Dia nivady tamin'i Hagara izy, ka nanan'anaka ravehivavy; ary rehefa hitany fa efa manan'anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny. | 
| 5. | Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Hanody anao anie ny fahoriako; fa efa nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko, ary nony hitany fa efa manan'anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona aho; Jehovah anie hitsara ahy sy ianao. | 
| 6. | Ary hoy Abrama tamin'i Saray: Indro, eo an-tananao ihany ny mpanompovavinao; ataovy aminy izay sitraponao. Ary raha nampahorin'i Saray Hagara, dia nandositra ny tavany izy. | 
| 7. | Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nahita azy teo anilan'ny loharano anankiray tany an-efitra, dia teo anilan'ilay loharano eo amin'ny lalana mankany Sora. | 
| 8. | Ary hoy Izy: Ry Hagara, andevovavin'i Saray, avy taiza ianao? Ary hankaiza? Ary hoy izy; Mandositra ny tavan'i Saray tompovaviko aho. | 
| 9. | Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Miverena any amin'ny tompovavinao ka miareta izay ataony aminao. | 
| 10. | Ary hoy koa Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Hataoko maro indrindra ny taranakao, ka tsy ho azo isaina izy noho ny hamaroany. | 
| 11. | Ary hoy indray Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Indro, manan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataonao hoe Isimaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah. | 
| 12. | Ary izy ho lehilahy toy ny boriki-dia; ny tànany hamely ny olona rehetra, ary ny tanan'ny olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo tandrifin'ny rahalahiny rehetra izy. | 
| 13. | Ary Hagara nanao ny anaran'i Jehovah, Izay niteny taminy hoe: Hianao no Andriamanitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian'ny fahitana? | 
| 14. | Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe: Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan'i Kadesy sy Bareda izany. | 
| 15. | Ary Hagara dia niteraka zazalahy tamin'i Abrama; ary ny anaran'ny zanany izay naterany dia nataon'i Abrama hoe Isimaela. | 
| 16. | Ary efa enina amby valo-polo taona Abrama, raha Hagara niteraka an'Isimaela taminy. | 
| ← Genesis (16/50) → |