| ← Genesis (10/50) → | 
| 1. | Ary izao no taranaky ny zanakalahin'i Noa, dia Sema sy Hama ary Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy taorian'ny safo-drano. | 
| 2. | Ny zanakalahin'i Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseka ary Tirasa. | 
| 3. | Ary ny zanakalahin'i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma. | 
| 4. | Ary ny zanakalahin'i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima sy ny Dodanita. | 
| 5. | Avy tamin'ireo no niavakavahan'ny nosin'ny firenena tany amin'ny taniny, dia samy araka ny fiteniny avy, araka ny mpianakaviny avy, tamin'ny fireneny avy. | 
| 6. | Ary ny zanakalahin'i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana. | 
| 7. | Ary ny zanakalahin'i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragama ary Sabteka; ary ny zanakalahin'i Ragama dia Seba sy Dedana. | 
| 8. | Ary Kosy niteraka an'i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery tambonin'ny tany. | 
| 9. | Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan'i Jehovah, ka izany no nanaovan'ny olona hoe: Tahaka an'i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan'i Jehovah. | 
| 10. | Ary ny niandohan'ny fanjakany dia Babela sy Ereka sy Akada ary Kalne tany amin'ny tany Sinara. | 
| 11. | Ary nivoaka avy tamin'izany tany izany izy ka nankany Asyria, dia nanorina an'i Ninive mbamin'i Rehobot-ira sy Kala | 
| 12. | ary Resena teo anelanelan'i Ninive sy Kala, dia ilay tanĂ na lehibe izany. | 
| 13. | Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita | 
| 14. | sy ny Patrosita sy ny Kaslohita izay nihavian'ny Filistina ary ny Kaftorita. | 
| 15. | Ary Kanana niteraka an'i Sidona lahimatoany sy Heta, | 
| 16. | ary ny Jebosita , sy ny Amorita sy ny Girgasita | 
| 17. | sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita | 
| 18. | sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Hamatita; ary nony taoriana dia niely ny firenen'ny Kananita. | 
| 19. | Ary ny fari-tanin'ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin'i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin'i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima. | 
| 20. | Ireo no zanak'i Hama, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin'ny taniny, amin'ny fireneny. | 
| 21. | Dia niteraka koa Sema, rain'ny zanak'i Ebera rehetra rahalahin'i Jafeta, izay zokiny. | 
| 22. | Ny zanakalahin'i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpaksada sy Loda ary Arama. | 
| 23. | Ary ny zanakalahin'i Arama dia Oza sy Hola sy Gatera ary Masy. | 
| 24. | Ary Arpaksada niteraka an'i Sela; ary Sela niteraka an'i Ebera. | 
| 25. | Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran'ny iray natao hoe Palega, satria tamin'ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran'ny rahalahiny. | 
| 26. | Ary Joktana niteraka an'i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera | 
| 27. | sy Hadorama sy Ozala sy Dikla | 
| 28. | sy Obala sy Abimaela sy Sheba | 
| 29. | sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Joktana. | 
| 30. | Ary ny fonenan'ireo dia hatrany Mesa ao akaikin'i Sefara, tendrombohitra atsinanana. | 
| 31. | Ireo no zanak'i Sema, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin'ny taniny, araka ny fireneny. | 
| 32. | Ireo no mpianakavin'ny zanak'i Noa, araka ny taranany, amin'ny fireneny; ary avy tamin'ireo no niavakavahan'ny firenena tambonin'ny tany taorian'ny safo-drano. | 
| ← Genesis (10/50) → |