| ← Galatians (4/6) → |
| 1. | Ary hoy izaho: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny andevo izy, na dia tompon'ny zavatra rehetra aza; |
| 2. | fa fehezin'izay mpitondra sy mpitaiza azy izy mandra-pahatongan'ny fetr'andro voatendrin'ny rainy. |
| 3. | Dia tahaka izany koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao; |
| 4. | fa rehefa tonga ny fotoan'andro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin'ny lalàna, |
| 5. | hanavotany izay ambanin'ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan'anaka. |
| 6. | Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô. |
| 7. | Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra. |
| 8. | Kanefa tamin'izany, fony mbola tsy nahalala an'Andriamanitra ianareo, dia nanompo izay andriamani-tsi-izy; |
| 9. | fa ankehitriny, rehefa mahalala an'Andriamanitra ianareo - nefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo - nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin'ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray? |
| 10. | Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra. |
| 11. | Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo. |
| 12. | Ry rahalahy, mangataka aminareo aho, aoka ho tonga tahaka ahy ianareo, fa izaho kosa mba efa tonga tahaka anareo. Tsy naninona ahy akory ianareo; |
| 13. | nefa fantatrareo fa noho ny fahalemen'ny nofo no nitoriako ny filazantsara taminareo tamin'ilay voalohany; |
| 14. | ary ny teo amin'ny nofoko izay tonga fakam-panahy anareo dia tsy mba nohamavoinareo na nolavinareo; fa nandray ahy tahaka ny mandray anjelin'Andriamanitra ianareo, eny, dia tahaka an'i Kristy Jesosy aza. |
| 15. | Aiza ary ilay nataonareo ho fahasambarana? Fa vavolombelonareo aho fa raha azo atao, na dia ny masonareo aza dia ho nesorinareo ka nomenareo ahy. |
| 16. | Koa efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo? |
| 17. | Mazoto mila fitia aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany, mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa. |
| 18. | Fa tsara raha ilam-pitia amin'ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho. |
| 19. | Anaka, izay aharariako indray amin'ny fiterahana mandra-paharin'i Kristy ao anatinareo, |
| 20. | enga anie ka ho tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko; fa misalasala aho ny aminareo. |
| 21. | Milazà amiko, ianareo izay te-ho ambanin'ny lalàna: tsy renareo va ny lalàna? |
| 22. | fa voasoratra hoe: Abrahama nanana zanaka roa lahy, ny anankiray tamin'ny andevovavy, ary ny anankiray tamin'ny tsy andevo. |
| 23. | Kanefa ilay tamin'ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin'ny tsy andevo kosa dia nateraka tamin'ny teny fikasana. |
| 24. | Ary izany dia azo atao fanoharana; fa izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy tamin'ny tendrombohitra Sinay ka miteraka ho amin'ny fahandevozana, dia Hagara izany. |
| 25. | Ary ny hoe Hagara dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly amin'i Jerosalema ankehitriny; fa andevo izy mbamin'ny zanany. |
| 26. | Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo. |
| 27. | Fa voasoratra hoe: Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananà, ianao izay tsy mbola mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an'ny manana-bady (Isa. 54. 1). |
| 28. | Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an'isaka. |
| 29. | Kanefa tahaka ny tamin'izany andro izany, ilay teraka araka ny nofo dia nanenjika ilay araka ny Fanahy, dia tahaka izany koa ankehitriny. |
| 30. | Nefa ahoana no lazain'ny Soratra Masina? Roahy io andevo-vavy io sy ny zananilahy; fa ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin'ny zanaky ny tsy andevo (Gen. 21. 10). |
| 31. | Ary amin'izany, ry rahalahy, tsy zanak'andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo. |
| ← Galatians (4/6) → |