| ← Galatians (3/6) → | 
| 1. | Ry Galatiana adala, iza no nanimba anareo; kanefa teo imasonareo indrindra no nanehoana marimarina an'i Jesosy Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana? | 
| 2. | Izao ihany no tiako holazainareo amiko: Moa ny asan'ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fitoriana ny finoana? | 
| 3. | Adala toy izany va ianareo? Rehefa nanomboka tamin'ny Fanahy ianareo, dia hahatanteraka amin'ny nofo va ankehitriny? | 
| 4. | Moa izany zavatra be izany dia efa niaretanareo foana, raha dia foana tokoa izany? | 
| 5. | Ary Izay manome anareo ny Fanahy sy mahavita asa lehibe eo aminareo, moa avy amin'ny asan'ny lalàna va izany, sa avy amin'ny fitoriana ny finoana? | 
| 6. | Dia tahaka an'i Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nasaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6). | 
| 7. | Koa fantaro fa izay amin'ny finoana no zanak'i Abrahama. | 
| 8. | Ary satria hitan'ny Soratra Masina rahateo fa amin'ny finoana no anamarinan'Andriamanitra ny jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin'i Abrahama rahateo izy, nanao hoe: Aminao no hitahiana ny firenena rehetra (Gen. 12. 3); | 
| 9. | ka dia izay amin'ny finoana notahina mbamin'i Abrahama mpino. | 
| 10. | Fa izay rehetra amin'ny asan'ny lalàna dia eo ambanin'ny fanozonana; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna (Deo. 27. 26). | 
| 11. | Ary hita marimarina fa amin'ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra ; fa ny marina amin'ny finoana no ho velona (Hab. 2. 4). | 
| 12. | Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy (Lev. 18. 5). | 
| 13. | Kristy nanavotra anay tamin'ny ozon'ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe : Voaozona izay rehetra mihantona amin'ny hazo (Deo. 21. 23), | 
| 14. | mba ho tonga amin'ny jentilisa ny fitahiana an'i Abrahama ao amin'i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin'ny finoana ny teny fikasana ny amin'ny Fanahy. | 
| 15. | Ry rahalahy - miteny araka ny fanaon'ny olona aho - na dia ny fanekena ataon'olona ihany aza, rehefa vita mafy, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy izany. | 
| 16. | Ary tamin'i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho an'ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ary ho an'ny taranakao (Gen. 22. 18), dia Kristy izany. | 
| 17. | Ary izao no lazaiko: Ny fanekena izay nataon'Andriamanitra mafy fahiny dia tsy tsoahan'ny lalàna, izay vao natao telo-polo amby efa-jato taona tato aoriana, hahafoana ny teny fikasana. | 
| 18. | Fa raha avy amin'ny lalàna ny lova, dia tsy avy amin'ny teny fikasana intsony; nefa tamin'i Abrahama dia teny fikasana no nanomezan'Andriamanitra azy. | 
| 19. | Inona ary ny lalàna ? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin'ny taranaka izay nomena ny teny fikasana; ary nalahatr'anjely teo an-tànan'ny mpanalalana izany. | 
| 20. | Ary ny mpanalalana dia tsy an'ny irery, fa Andriamanitra dia iray ihany. | 
| 21. | Ka moa manohitra ny teny fikasan'Andriamanitra va ny lalàna? Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna mahavelona nomena, dia avy tamin'ny lalàna tokoa ny fahamarinana | 
| 22. | Fa ny Soratra Masina efa nanidy azy rehetra teo amin'ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana an i Jesosy Kristy. | 
| 23. | Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin'ny lalàna isika ka voahidy ho amin'ny finoana izay efa haseho ato aoriana. | 
| 24. | Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika. | 
| 25. | Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika. | 
| 26. | Fa ianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy. | 
| 27. | Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy. | 
| 28. | Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. | 
| 29. | Fa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana. | 
| ← Galatians (3/6) → |