Galatians (1/6)  

1. Paoly Apostoly - tsy avy tamin'olona, na tamin'ny alalan'olona, fa tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy tamin'ny maty -
2. mbamin'ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny fiangonana atỳ Galatia:
3. ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika,
4. Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin'izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon'Andriamanitra Raintsika;
5. ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
6. Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin'izay efa niantso anareo tamin'ny fahasoavan'i Kristy ho amin'ny filazantsara hafa,
7. izay tsy filazantsara akory, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran'i Kristy.
8. Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izy.
9. Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy,
10. Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy.
11. Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany.
12. Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany.
13. Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin'ny fivavahan'ny Jiosy, fa nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy;
14. ary nandroso tamin'ny fivavahan'ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin'ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra.
15. Fa raha sitrak'Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon'ineny ny niantso ahy tamin'ny fahasoavany,
16. ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin'ny jentilisa, niaraka tamin'izay dia tsy naka saina tamin'ny nofo aman-drà aho,
17. ary tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin'izay Apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damaskosy indray.
18. Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an'i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin'ny folo andro.
19. Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba, rahalahin'ny Tompo.
20. Ary izay zavatra soratako aminareo, indro, eo anatrehan'Andriamanitra fa tsy mandainga aho.
21. Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Syria sy Kilikia aho;
22. ary tsy mbola fantatry ny fiangonana any Jodia, izay ao amin'i Kristy, ny tarehiko.
23. Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny .
24. Ary dia nankalazany an'Andriamanitra aho.

      Galatians (1/6)