Ezekiel (7/48)  

1. Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2. Ary ianao, ry zanak'olona, dia izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ny tanin'ny Isiraely: Injao ny farany! Eny, mby akaiky ny farany ho amin'ny vazan-tany efatra.
3. Ankehitriny dia mby akaikinao ny farany, ary halefako aminao ny fahatezerako, dia hotsaraiko araka ny alehanao ianao, ka hatambesatro aminao ny fahavetavetanao rehetra.
4. Ary tsy hiantra anao ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; Fa hatambesatro aminao ny lalanao, ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao, ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
5. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Injao! avy ny loza, dia loza izay tsy misy toa azy!
6. Injao ny farany! Eny, mby akaiky ny farany; Mifoha hamely anao iny, indro, efa mby akaiky iny.
7. Mby akaiky ny anjaranao, ry mponina amin'ny tany; Mby akaiky ny fotoana, efa antomotra ny andro, dia akoran'ady, fa tsy fihobiana, eny an-tendrombohitra .
8. Ary vetivety foana dia hampidiniko aminao ny fahatezerako, Ary hotanterahiko aminao ny fahavinirako; ka hotsaraiko araka ny alehanao ianao, ary hatambesatro aminao ny fahavetavetanao.
9. Ary tsy hiantra anao ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; Hatambesatro aminao ny lalanao, ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no mamely.
10. Indro ny andro, indro mby akaiky iny! Miseho ny anjaranao. Mamonjy ny tsorakazo, manorobona ny avonavona!
11. Ny fanaovana an-keriny dia mitsangana ho tsorakazo hamelezana ny faharatsiana; tsy hisy sisa intsony aminy, na ny hamaroany, na ny hareny, na ny zava-mendrika eo aminy.
12. Mby akaiky ny fotoana, antomotra ny andro; aoka tsy hifaly ny mpividy, ary aoka halahelo ny mpivarotra; Fa iharan'ny fahatezerana mirehitra ny hamaroany rehetra.
13. Fa ny mpivarotra tsy hifodian'izay efa lafony, na dia mbola isan'ny velona aza izy; Fa ny fahitana ny amin'ny hanjo ny hamaroanay dia tsy hitsoaka, ary tsy hisy ampahery ny ainy amin'ny helony.
14. Efa nitsoka ny trompetra izy ka nahavonona ny zavatra rehetra, nefa tsy misy mankany amin'ny ady, satria iharan'ny fahatezerako mirehitra ny hamaroany rehetra.
15. Ny sabatra no eny ivelany, ary ny areti-mandringana sy ny mosary kosa no ao anatiny; Izay any an-tsaha dia ho fatin-tsabatra, ary izay any an-tanàna kosa dia ho levon'ny mosary sy ny areti-mandringana.
16. Ary na dia misy afa-mandositra aza, dia ho any an-tendrombohitra izy ka ho toy ny voromailala an-dohasaha: Izy rehetra dia samy hitoloko avokoa noho ny helony.
17. Hiraviravy ny tanana rehetra, ary ho rano ny lohalika rehetra;
18. Hisikina lamba fisaonana koa izy, ka ho menatra ny tava rehetra.
19. Ny volafotsiny dia harianay eny an-dalambe, ary ny volamenany hataony ho maharikoriko, ny volafotsiny sy ny volamenany tsy hahavonjy azy amin'ny andro fahatezeran'ny Jehovah Tsy hahavoky ny fanahiny na hahafeno ny kibony izany, fa tonga fahatafintohinana mahameloka azy.
20. Fa ny firàvany tsara tarehy dia nataony ho rehareha sady nentiny nanao ireo sary fahavetavetany, dia ireo zava-dratsiny, koa izany no efa nanaovako ireny ho zava-maharikoriko azy.
21. Ary hatolotro ho babo eny an-tànan'ny hafa firenena izy, Eny, ho babo ho an'ny ratsy fanahy amin'ny tany, ka holotoin'ireny izy.
22. Dia hiamboho azy koa Aho, ka holotoiny ny rakitro; Fa hiditra ao aminy ny mpandroba ka handoto azy.
23. Manefa gadra, fa efa feno fitsarana ny amin'ny fandatsahan-drà ny tany, ary feno fampahoriana ny tanàna.
24. Ka dia hitondra izay jentilisa ratsy indrindra Aho, ary ho lasan'ireny ny tranony; dia hatsahatro ny avonavon'ny mahery, ary ho lotoina ny fitoerany masina.
25. Ho avy ny fandringanana; ary hitady fiadanana izy, fa tsy hisy.
26. Mifanontona ny fandravana, ary mifanindry ny filazan-doza; Dia manontany fahitana amin'ny mpaminany izy, fa tsy misy lalàna intsony amin'ny mpisorona, na fahendrena amin'ny anti-panahy.
27. Hitomany ny mpanjaka, eny, hitafy fahatalanjonana ny andriana, ary hangovitra ny tanan'ny vahoaka; Araka ny alehany no hataoko aminy, ary hotsaroiko araka ny fitsarana nataony izy, ka dia fantany fa Izaho no Jehovah.

  Ezekiel (7/48)