← Exodus (14/40) → |
1. | Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: |
2. | Lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba hivily izy ka hitoby eo akaikin'i Pi-hahirota, eo anelanelan'i Migdolasy ny ranomasina; eo akaikin'i Bala-zefona, dia tandrifiny, no hitobianareo, eo amoron'ny ranomasina. |
3. | Ary Farao hilaza ny Zanak'Isiraely hoe: Azon'ny tamberintany izy ka voahidin'ny efitra. |
4. | Dia hanamafy ny fon'i Farao Aho, ka hanenjika anareo izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin'i Farao sy amin'ny miaramilany rehetra, ka ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah. Dia nataon'ny Zanak'Isiraely izany. |
5. | Ary nisy nanambara tamin'ny mpanjakan'i Egypta fa efa nandositra ny olona, dia niova ny fon'i Farao sy ny mpanompony ny amin'ny olona, ka hoy izy: Inona izao nataontsika izao, no nandefa ny Isiraely hiala tamin'ny fanompoany antsika isika? |
6. | Dia nasainy nofehezina tamin'ny kalesy ny soavaly, sady nitondra ny vahoakany hanaraka azy izy. |
7. | Ary nitondra kalesy enin-jato voafantina sy ny kalesin'ny Egyptiana rehetra izy, izay samy nisy mpiady avy izy rehetra. |
8. | Ary Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, mpanjakan'i Egypta, dia nanenjika ny Zanak'Isiraely izy, na dia tamin'ny tanana avo aza no nivoahany. |
9. | Koa nanenjika azy ny Egyptiana, dia ny soavaly rehetra mitarika ny kalesin'i Farao sy ny soavaliny fitaingina ary ny miaramilany, ka nahatratra azy nitoby teo amoron'ny ranomasina, teo anilan'i Pi-hahirota, tandrifin'i Balazefona. |
10. | Ary rehefa mby akaiky Farao, dia natopin'ny Zanak'Isiraely ny masony, ka, indreo, ny Egyptiana tamy manenjika azy; dia raiki-tahotra indrindra ny Zanak'Isiraely ka nitaraina tamin'i Jehovah. |
11. | Ary hoy koa izy tamin'i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty atỳ an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay ianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta? |
12. | Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Egypta hoe: Aoka izay fa avelao ihany izahay hanompo ny Egyptiana? Fa aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an-efitra. |
13. | Ary hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen'i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. |
14. | Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina. |
15. | Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Nahoana no mitaraina amiko ianao? lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba handroso. |
16. | Ary aingao ny tehinao, dia ahinjiro ambonin'ny ranomasina ny tananao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo afovoan'ny ranomasina mandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely. |
17. | Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon'ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin'i Farao sy amin'ny miaramilany rehetra mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny, |
18. | dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin'i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny. |
19. | Ary Ilay Anjelin'Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan'ny tobin'ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany |
20. | ka tonga teo anelanelan'ny tobin'ny Egyptiana sy ny tobin'ny Isiraely: dia teo ihany ny rahona sy ny fahamaizinana, nefa nampahazava ny alina kosa, ka dia tsy nifanatona izy roa tonta mandritra ny alina. |
21. | Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan'i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano. |
22. | Dia nandeha teo afovoan'ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany. |
23. | Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan'ny ranomasina, dia ny soavalin'i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny. |
24. | Ary tamin'ny fiambenana maraina dia nijery ny tobin'ny Egyptiana tao amin'ny andri-afo sy ny rahona Jehovah ka nampifanaritaka ny tobin'ny Egyptiana. |
25. | Ary nanala ny kodian'ny kalesiny Izy ka nampahasarotra ny nandehanany, dia hoy ny Egyptiana: Aoka handositra ny tavan'ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady amin'ny Egyptiana ho an'ireo. |
26. | Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin'ny ranomasina ny tananao, mba hikatonan'ny rano amin'ny Egyptiana mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoa valiny. |
27. | Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian'i Jehovah teo afovoan'ny ranomasina ny Egyptiana. |
28. | Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan'i Farao rehetra izay niditra teo amin'ny ranomasina nanenjika ny Zanak'Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza. |
29. | Fa ny Zanak'Isiraely kosa nandeha tamin'ny tany maina teo afovoan'ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany. |
30. | Izany no namonjen'i Jehovah ny Isiraely tamin'izany andro izany mba tsy ho azon'ny Egyptiana; ary hitan'ny Isiraely teny amoron'ny ranomasina ny fatin'ny Egyptiana. |
31. | Ary rehefa hitan'ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon'ny tànan'i Jehovah tamin'ny Egyptiana, dia natahotra an'i Jehovah ny olona ka nino an'i Jehovah sy Mosesy mpanompony. |
← Exodus (14/40) → |