← Ephesians (3/6) → |
1. | Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, - |
2. | raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo, |
3. | fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin'ny teny fohifohy teo. |
4. | Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina ny amin'i Kristy, |
5. | izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak'olombelona tamin'ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran'ny Fanahy ankehitriny amin'ny Apostoly masina sy ny mpaminany, |
6. | dia ny ahatongavan'ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin'i Kristy Jesosy noho ny filazantsara, |
7. | izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fanomezan'ny fahasoavan'Andriamanitra, izay nomena ahy araka ny fiàsan'ny heriny. |
8. | Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin'ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin'ny jentilisa ny haren'i Kristy tsy hita lany, |
9. | ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay voafina hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao tao amin'Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra; |
10. | mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin'izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren'Andriamanitra amin'ny fitondrany ny fiangonana, |
11. | araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika, |
12. | Izay ananantsika fahasahiana sy fanatonana amin'ny fahatokiana noho ny finoana Azy. |
13. | Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany. |
14. | Ary noho izany no andohalehako amin'ny Ray |
15. | Izay ahazoan'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana, |
16. | mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny toe-panahinareo; |
17. | mba hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin'ny fitiavana ianareo, |
18. | mba hahaizanareo mbamin'ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halavany. |
19. | ary hahalala ny fitiavan'i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra. |
20. | Ary ho an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, |
21. | ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena. |
← Ephesians (3/6) → |