| ← Ecclesiastes (7/12) → | 
| 1. | Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana. | 
| 2. | Tsara ny mankamin'ny trano misy fisaonana noho ny mankamin'ny trano misy fanasana; fa ho amin'iny no hiafaran'ny olombelona rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany. | 
| 3. | Tsara ny alahelo noho ny hehy; fa na dia malahelo aza ny tarehy, mety tsara ihany ny fo. | 
| 4. | Ny fon'ny hendry dia ao amin'ny trano misy fisaonana; fa ny fon'ny adala kosa dia ao amin'ny trano misy fifaliana. | 
| 5. | Tsara ny mihaino ny anatra mafy ataon'ny hendry noho ny mihaino ny hiran'ny adala. | 
| 6. | Toy ny firefodrefotry ny tsilo eo ambanin'ny vilany, dia tahaka izany ny fihomehezan'ny adala; zava-poana koa izany. | 
| 7. | Fa ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry; ary ny kolikoly mahasimba ny fo. | 
| 8. | Tsara ny iafaran'ny raharaha noho ny iandohany; tsara ny mahari-po noho ny miavanavom-panahy. | 
| 9. | Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran'ny adala. | 
| 10. | Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin'ny fahendrena no anontanianao izany. | 
| 11. | Tsara tahaka ny lova ny fahendrena, sady zava-mahasoa ho an'izay mahita masoandro izany. | 
| 12. | Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain'ny manana azy ny fahendrena. | 
| 13. | Saino ny asan'Andriamanitra; fa iza moa no mahahitsy izay nataony ho meloka? | 
| 14. | Amin'ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin'ny andro mahory mieritrereta; fa nampitanandrifin'Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan'ny olona akory izay ho avy any aoriany. | 
| 15. | Izao rehetra izao dia efa hitako tamin'ny androko mandalo foana: misy marina maty amin'ny hamarinany; ary misy meloka ela velona amin'ny haratsiany. | 
| 16. | Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana noho simbanao ny tenanao? | 
| 17. | Aza ratsy loatra ianao, ary aza adala; nahoana no ho faty ianao, raha tsy efa tonga ny andronao? | 
| 18. | Tsara raha mitana iroa ianao, nefa aza mampiala ny tananao amin'itsy; fa izay matahotra an'Andriamanitra dia ho afaka amin'izany rehetra izany. | 
| 19. | Ny fahendrena no maharo ny hendry mihoatra noho ny mpanapaka folo ao an-tanàna. | 
| 20. | Fa tsy misy olona marina ambonin'ny tany izay manao tsara ka tsy manota. | 
| 21. | Aza mihainohaino ny teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao ianao; | 
| 22. | fa fantatry ny fonao fa na dia ny tenanao aza dia mba efa nanozona ny sasany matetika ihany koa. | 
| 23. | Izany rehetra izany dia notsapaiko tamin'ny fahendrena. Hoy izaho: Ho hendry aho; kanjo lavitra ahy izany. | 
| 24. | Eny, izay rehetra lavitra sady lalina dia lalina, iza no mahatakatra azy? | 
| 25. | Nitodika aho, ka nampiasaiko ny foko hahalala sy handinika ary hitady fahendrena sy izay anton-javatra ary hahafantatra ny faharatsiana ho fahadalana, ary ny fahadalana ho fahaverezan-tsaina; | 
| 26. | ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy, izay fandrika sy harato ny fony, sady famatorana ny tànany; nefa izay ankasitrahan'Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy, fa ny mpanota ihany no ho azony. | 
| 27. | Indro, izany no hitako, hoy Mpitoriteny, raha nandinidinika ny zavatra tsirairay aho mba hahitana izay antony. | 
| 28. | Izay notadiaviko koa, fa tsy hitako, dia izao: lehilahy iray no hitako ho marina tao amin'ny arivo; fa tao amin'ny vehivavy arivo dia tsy nisy hitako na dia iray akory aza. | 
| 29. | Indro, izao ihany no hitako: nataon'Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy. | 
| ← Ecclesiastes (7/12) → |