| Ecclesiastes (1/12) → |
| 1. | Ny tenin'i Mpitoriteny, zanak'i Davida, mpanjaka tany Jerosalema. |
| 2. | Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra! |
| 3. | Inona no soa azon'ny olona amin'ny fisasarany rehetra izay isasarany atỳ ambanin'ny masoandro? |
| 4. | Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay. |
| 5. | Ny masoandro koa miposaka ary ny masoandro milentika sady miriotra ho any amin'ny fitoerana izay niposahany. |
| 6. | Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina manodidina indray. |
| 7. | Ny renirano rehetra dia samy mankamin'ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin'izay falehan'ny renirano ihany no iverenany indray. |
| 8. | Maivana; ny maso tsy mamo mijery, ary ny sofina tsy mamo mihaino. |
| 9. | Izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray fa tsy misy zava-baovao akory atỳ ambanin'ny masoandro. |
| 10. | Raha misy zavatra azo lazaina hoe: He! ity no vaovao, dia ilay efa teo ela tany amin'ny andro talohantsika ihany izany. |
| 11. | Tsy misy fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa dia tsy hotsarovan'izay handimby azy. |
| 12. | Izaho Mpitoriteny dia mpanjakan'ny Isiraely tany Jerosalema; |
| 13. | ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin'ny lanitra; asa mahareraka omen'Andriamanitra hisasaran'ny zanak'olombelona izany. |
| 14. | Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin'ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany. |
| 15. | Ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy mba azo isaina. |
| 16. | Hoy izaho tamin'ny foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka. |
| 17. | Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra foana koa izany, |
| 18. | satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana. |
| Ecclesiastes (1/12) → |