| ← Deuteronomy (26/34) → |
| 1. | Ary rehefa tonga ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao ianao ka mandova azy ary monina ao, |
| 2. | dia analao ny voaloham-bokatra rehetra amin'ny tany, izay alainao avy amin'ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, ka ataovy an-karona; ary mankanesa ho any amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany; |
| 3. | dia mankanesa amin'ny mpisorona amin izany andro izany, ka lazao aminy hoe: Manambara amin'i Jehovah Andriamanitrao aho anio fa tonga eto amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razantsika homeny antsika. |
| 4. | Dia horaisin'ny mpisorona eny an-tananao ny harona ka hapetrany eo anoloan'ny alitaran'i Jehovah Andriamanitrao. |
| 5. | Dia hiteny eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Syriana mpanjenjena no raiko, ka nidina tany Egypta izy, dia nivahiny tany mbamin'ny olom-bitsy; ary tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa. |
| 6. | Ary nanao ratsy tamintsika ny Egyptiana ka nampahory antsika sy nampanao antsika fanompoana mafy. |
| 7. | Dia nitaraina tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, isika, ka nihaino ny feontsika Izy ary nijery ny alahelontsika sy ny asantsika ary ny fahoriantsika; |
| 8. | ary tanana mahery sy sandry nahinjitra sy fampahatahorana lehibe sy famantarana ary fahagagana no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, |
| 9. | dia nitondra antsika niditra teto amin'ity tany ity Izy ka nanome antsika ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely. |
| 10. | Ary ankehitriny, Jehovah ô, indro, efa nentiko ny voaloham-bokatra amin'ny tany izay nomenao ahy. Dia avelao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ny zavatra, ary mivavaha eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao. |
| 11. | Ary mifalia amin'ny soa rehetra izay nomen'i Jehovah Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao ianao sy ny Levita mbamin'ny vahiny eo aminao. |
| 12. | Rehefa voangonao ny fahafolon-karena rehetra avy amin'ny vokatrao amin'ny taona fahatelo, izay taona fanangonana ny fahafolon-karena, dia omeo ny Levita sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany, mba hohaniny ao an-tanànanao, ka ho voky izy, |
| 13. | ary dia lazao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao hoe: Efa navoakako avokoa ny zava-masina tao an-tranoko ka nomeko ny Levita sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, araka ny lalànao rehetra izay nandidianao ahy; tsy nandika ny didinao aho na nanadino azy. |
| 14. | Tsy nisy nohaniko teo amin'ny fisaonako, na nentiko nivoaka teo amin'ny fahalotoako, na nataoko fahan-kanina noho ny maty; fa efa nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitro aho ka nanao araka izay rehetra nandidianao ahy. |
| 15. | Tsinjovy ao amin'ny fonenanao masina any an-danitra, ka tahio ny Isiraely olonao sy ny tany izay nomenao anay araka izay nianiananao tamin'ny razanay, dia tany tondra-dronono sy tantely. |
| 16. | Anio no andidian'i Jehovah Andriamanitrao anao hanaraka ireo didy sy fitsipika ireo; koa tandremo sy araho amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ireo. |
| 17. | Efa nampiteny an'i Jehovah ianao androany fa ho Andriamanitrao Izy, ka handeha amin'ny lalany sy hitandrina ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny ianao ary hihaino ny feony. |
| 18. | Ary Jehovah kosa efa nampiteny anao androany fa firenena rakitra soa ho Azy ianao, araka izay nolazainy taminao, mba hitandremanao ny didiny rehetra, |
| 19. | sy hanandratany anao ho ambonin'ny firenena rehetra izay nataony, ho fiderana sy ho anarana ary ho voninahitra ary mba ho firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao, araka izay nolazainy. |
| ← Deuteronomy (26/34) → |