| ← Acts (27/28) → |
| 1. | Ary rehefa voadidy hiondrana an-tsambo hiala hankany Italia izahay, Paoly sy ny mpifatotra sasany dia natolotra tamin'ny kapiteny atao hoe Jolio, tamin'ny antokon'i Aogosto. |
| 2. | Ary rehefa nirotsaka an-tsambo avy any Adramytena izay efa handeha hitety ny sisin-tanin'i Asia izahay, dia lasa nandeha; ary niaraka taminay Aristarko Makedoniana avy any Tesalonika. |
| 3. | Ary nony ampitso dia tonga tany Sidona izahay. Ary tsara ny nitondran'i Jolio an'i Paoly, fa navelany hankany amin'ny sakaizany izay hiahy azy izy. |
| 4. | Ary nony niala teo izahay, dia nanara-morona an'i Kyprosy nihazo ny ilany takon-drivotra, satria nanohitra ny rivotra. |
| 5. | Ary rehefa namaky ny ranomasina tany Kilikia sy Pamfilia izahay, dia tonga tany Myra any Lykia. |
| 6. | Ary tao no nahitan'ny kapiteny sambon'Aleksandria hankany Italia, dia nasainy niondrana teo aminy izahay. |
| 7. | Ary rehefa nandeha niadana andro maromaro izahay ka saiky tsy tonga tandrifin'i Kinido, satria nisakana anay ny rivotra, dia takon-drivotra tandrifin'i Salmona izahay; |
| 8. | ary nony sahirana nanara-morona izahay, dia tonga teo amin'ny tany anankiray atao hoe Tsara-fitodian-tsambo; akaikin'izany ny tanàna Lasea. |
| 9. | Ary rehefa lany ny andro maro, sady sarotra ny fandehanan-tsambo tamin'izany, satria efa afaka ny Andro Fifadiana, dia nananatra azy Paoly |
| 10. | ka nanao taminy hoe: Ry tompokolahy ô, hitako fa izao fandehanana izao dia hisy fahasimbana sy fatiantoka be ihany, ka tsy amin'ny entana sy ny sambo ihany, fa ny aintsika koa aza. |
| 11. | Kanefa ny kapiteny nino ny mpitondra sy ny tompon-tsambo, fa tsy ny teny nolazain'i Paoly. |
| 12. | Ary satria ny fitodian-tsambo teo dia tsy tsara hitoerana amin'ny ririnina, dia nataon'ny maro fa tsara raha miala, fandrao mba ho tonga any Foiniksa ahay handany ny ririnina any; fitodian-tsambo any Kreta izany ka manatrika mianatsimo-andrefana sy mianavaratra-andrefana. |
| 13. | Ary raha nitsoka malemy ny rivotra avy any atsimo, ka nataony fa efa nahazo izay niriny izy, dia niala teo izy ka nandalo akaikikaikin'i Kreta. |
| 14. | Ary tsy ela rehefa afaka izany, dia nifofofofo nidina avy teo ny tafio-drivotra mahery atao hoe Eorakylona. |
| 15. | Ary raha nopaohin'ny rivotra ny sambo ka tsy nahatoha azy, dia navelanay haveziveziny izy. |
| 16. | Ary raha nandeha faingana nanara-morona ny nosy atao hoe Kaoda nihazo ny ilany takon-drivotra izahay, dia saiky tsy nahazo ny salopy; |
| 17. | ary rehefa nakarina izany, dia novahorany manodidina ny sambo; ary natahotra izy, fandrao hihatra any amin'ilay fasika mandrevo, dia nampidina ny lay, ka navelany handeha ho azy ny sambo. |
| 18. | Ary raha nasian'ny rivotra mafy izahay, dia nanariany ny entana nony ampitso; |
| 19. | ary nony ampitso'io indray dia narian'ny tànany ihany ny fanaka teo amin'ny sambo; |
| 20. | fa rehefa tsy hita ny masoandro na ny kintana hatramin'ny andro maro, ary tsy kely ny rivotra izay namely, dia tsy nanantena ho voavonjy intsony izahay. |
| 21. | Ary rehefa tsy nihinan-kanina ela izy ireo, Paoly dia nitsangana teo afovoany ka nanao hoe: Ry tompokolahy ô, tsara raha ho nihaino ahy ianareo ka tsy niala tany Kreta, mba tsy ho nahitana izao fahasimbana sy fatiantoka izao. |
| 22. | Ary ankehitriny mananatra anareo aho mba hatoky; fa tsy hisy ho faty ianareo, fa ny sambo ihany no ho very. |
| 23. | Fa nisy anjelin'Andriamanitra, Izay Tompoko sady tompoiko, nitsangana teo anilako halina |
| 24. | ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Paoly; fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan'i Kaisara ianao; ary, indro, efa nomen'Andriamanitra anao ny olona rehetra izay miaraka aminao. |
| 25. | Koa matokia, ry tompokolahy ô, fa mino an'Andriamanitra aho fa ho tonga araka ny voalazany tamiko izany. |
| 26. | Nefa tsy maintsy fefika ihany eo amin'ny nosy anankiray isika. |
| 27. | Ary tamin'ny alina fahefatra ambin'ny folo, raha navezimbezina tany Adria izahay, nony namatonalina dia nataon'ny matilo fa efa manakaiky tany izy; |
| 28. | dia nanaka-drano izy ka hitany fa faharoa-polo refy; ary nony nandrosoroso kokoa izy, dia nanaka-drano indray ka hitany fa fahadimy ambin'ny folo refy. |
| 29. | Dia natahotra izahay, fandrao hidona amin'ny harambato, ka dia nandatsaka vatofantsika efatra teo am-bodisambo ary naniry ny andro ho maraina. |
| 30. | Fa raha nitady handositra hiala tamin'ny sambo ny matilo ka efa nampidina ny salopy teo amin'ny ranomasina izy, nody handatsaka vatofantsika eo an-doha-sambo, |
| 31. | dia hoy Paoly tamin'ny kapiteny sy ny miaramila: Raha tsy mitoetra eto an-tsambo ireo, dia tsy azo vonjena ianareo. |
| 32. | Dia notapahin'ny miaramila ny mahazaka rehetra tamin'ny salopy, ka navelany ho latsaka. |
| 33. | Ary raha mbola tsy nazava ny andro, dia niangavy tamin'ny olona rehetra Paoly mba hihinan-kanina ka nanao hoe: Anio no fahefatra ambin'ny folo andro niandrasanareo, sady nahari-noana ianareo ka tsy nihinana. |
| 34. | Koa mananatra anareo aho hihinan-kanina, fa izany no isan'ny hamonjena anareo; ary tsy hisy ho very aminareo rehetra na dia singam-bolo iray akory aza. |
| 35. | Ary rehefa nilaza izany izy sady nandray mofo, dia nisaotra an'Andriamanitra teo anatrehan'ny olona rehetra; ary rehefa novakiny, dia nihinana izy. |
| 36. | Dia nahazo toky izy rehetra ka nihinana koa. |
| 37. | Ary izahay rehetra teo anaty sambo dia olona enina amby fito-polo amby roan-jato. |
| 38. | Ary rehefa voky izy, dia nanariany ho any anaty ranomasina ny hanina mba hanamaivana ny sambo. |
| 39. | Ary rehefa nazava ny andro, dia tsy nahalala ny tany izy, fa nahita helodrano anankiray tsara morona, ka teo no nokasainy hampidonana ny sambo, raha azony atao. |
| 40. | Ary rehefa nesoriny avokoa ny vatofantsika, dia navelany ho any an-dranomasina, ary novahany koa ny kofehin'ny familian-tsambo dia namelatra ny lay anoloana izy ho azon'ny rivotra ka nanatona ny tany. |
| 41. | Ary raha tonga tamin'izay nisy fihaonan-dranomasina izy, dia navelany hidona tamin'ny tany ny sambo; ary ny loha-sambo nihizina ka nitoetra tsy nihetsika, fa ny vodi-sambo kosa dia vakivaky azon'ny herin'ny onja. |
| 42. | Ary ny miaramila nanao tetika hamono ny mpifatotra, fandrao hisy hilomano ireo ka ho afaka. |
| 43. | Fa ny kapiteny ta-hamonjy an'i Paoly, dia nisakana azy tsy hanao izay nokasainy; fa izay nahay nilomano no nasainy hirotsaka aloha ka hilomano ho any amin'ny tany, |
| 44. | ary ny sisa dia samy hanao izay hahafaka azy, na amin'ny hazo fisaka, na amin'ny zavatra avy amin'ny sambo. Dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety avokoa izy rehetra. |
| ← Acts (27/28) → |