| ← Acts (2/28) → |
| 1. | Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. |
| 2. | Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. |
| 3. | Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany. |
| 4. | Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy. |
| 5. | Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy hafa rehetra ambanin'ny lanitra. |
| 6. | Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra. |
| 7. | Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo? |
| 8. | Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika |
| 9. | - dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia |
| 10. | sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an'i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta, |
| 11. | Kretana sy Arabo - koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon'Andriamanitra? |
| 12. | Dia talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho hevitr'izany? |
| 13. | Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo. |
| 14. | Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin'ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko: |
| 15. | Tsy mamo araka ny hevitrareo tsy akory ireo, fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro. |
| 16. | Fa izao ilay nampilazaina an'i Joela mpaminany hoe: |
| 17. | Ary amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy; |
| 18. | Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany, Ka dia haminany izy; |
| 19. | Ary hanisy fahagagana eny amin'ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin'ny tany ambany, Dia rà sy afo ary zavon'ny setroka; |
| 20. | Ny masoandro hampodina ho aizina, Ary ny volana ho rà, Alohan'ny hahatongavan'ny andron'i Jehovah, Dia ilay sady lehibe no malaza; |
| 21. | Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia hovonjena (Joela 3. 1-5). |
| 22. | Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon'Andriamanitra teo aminareo tamin'ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin'Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany, |
| 23. | Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan'Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin'ny tanan'ny olona tsy tan-dalàna; |
| 24. | fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan'ny fahafatesana, satria tsy laitr'izany hohazonina Izy. |
| 25. | Fa Davida milaza Azy hoe: Nijery an'i Jehovah teo anatrehako mandrakariva aho; Satria eo ankavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho, |
| 26. | Dia izany no nifalian'ny foko sy niravoravoan'ny lelako; Ny nofoko koa hitoetra amin'ny fanantenana; |
| 27. | Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny aiko; Ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao; |
| 28. | Nampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; Hampifaly ahy indrindra amin'ny tavanao (Sal. 16. 8-11). |
| 29. | Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza aminareo marimarina ny amin'i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany. |
| 30. | Ary satria mpaminany izy ka nahalala fa Andriamanitra efa nanao fianianana taminy fa izay hateraky ny kibony no hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany, |
| 31. | koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan'i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lò. |
| 32. | Izany Jesosy izany dia efa natsangan'Andriamanitra, ary vavolombelon'izany izahay rehetra. |
| 33. | Ary rehefa nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra Izy, ary nandray tamin'ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy. |
| 34. | Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana |
| 35. | Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1). |
| 36. | Koa aoka ho fantatry ny taranak'isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. |
| 37. | Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay? |
| 38. | Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; |
| 39. | fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy. |
| 40. | Ary nanambara sy nananatra azy tamin'ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin'ity taranaka maditra ity ianareo. |
| 41. | Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin'izany andro izany. |
| 42. | Ary izy ireo naharitra tamin'ny fampianaran'ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana. |
| 43. | Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon'ny Apostoly. |
| 44. | Ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra, |
| 45. | ary namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy. |
| 46. | Ary dia niray saina isan'andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan'ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin'ny fifaliana sy ny fahatsaram-po, |
| 47. | nidera an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo. |
| ← Acts (2/28) → |