← 2Timothy (4/4) |
1. | Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: |
2. | mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. |
3. | Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; |
4. | ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano. |
5. | Fa ianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao. |
6. | Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. |
7. | Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho; |
8. | hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa. |
9. | Mazotoa hankatỳ amiko faingana ianao; |
10. | fa Demasy efa nandao ahy, satria tia izao fiainana izao izy ka lasa nankany Tesalonika; Kreska nankany Galatia, Titosy nankany Dalmatia. |
11. | Lioka ihany no ato amiko. Alao Marka, ka ento miaraka aminao, fa mahasoa ahy amin'ny fanompoana izy. |
12. | Tykiko dia nirahiko ho any Efesosy. |
13. | Ilay kapôty navelako tany Troasy tao amin'i Karpo, dia ento, raha mankaty ianao, ary ny boky, indrindra fa ireo boky hoditra. |
14. | Aleksandro, mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny asany; |
15. | tandremonao ihany izy iny, fa nanohitra fatratra ny teninay. |
16. | Tamin'ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra (aza mba isaina ho helony anie izany). |
17. | Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin'ny ataoko ny fitorian-teny, ary mba ho ren'ny jentilisa rehetra izany; ary izaho novonjena tao am-bavan'ny liona. |
18. | Ary ny Tompo hanafaka ahy amin'ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin'ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. |
19. | Manaova veloma amin'i Prisila sy Akoila mbamin'ny ankohonan'i Onesiforosy; |
20. | Erasto nitoetra tany Korinto; fa Trofimo nilaozako tany Mileto, satria narary izy. |
21. | Mazotoa hankatỳ alohan'ny ririnina. Manao veloma anao Eobolo sy Poda sy Lino sy Klaodia mbamin'ny rahalahy rehetra. |
22. | Ho amin'ny fanahinao anie ny Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana. |
← 2Timothy (4/4) |